• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

JIOI 2023 : Miravaka volamena ireo mpilalao foot, basket sy rugby malagasy !

02/09/2023 20:25 © Moov.Mg

Mitombo isa hatrany ny medaly volamena azon'i Madagasikara. Nanamarika manokana ny takarivan'ny androany 2 septambra 2023 ny nandresen'i Madagasikara an'i La Réunion tamin'ny lalao miisa 5 be izao : baolina kitra, basket 5x5 (lehilahy sy vehivavy) ary rugby à 7 (lehilahy sy vehivavy)

30 taona aty aoriana

Efa tamin'ny 30 taona lasa i Madagasikara no nahazo ny amboara tamin'ny lalaon'ny Nosy, tamin'ny taranja baolina kitra. Niady tokoa ny lalao androany satria mbola samy 0 ny isa tamin'ny fiafaran'ny fizaram-potoana faharoa. Tsy maintsy niroso tamin'ny fanalavam-potoana araka izany, mba hamaritana ny mpandresy. I Tendry no nahafaty baolina ka nampandresy ny ekipam-pirenena Malagasy.

Horakoraka sy hiakiaka no re erak'Antanananarivo, nihobiana ny fandresena goavana azon'ny Coach Roro sy ny ekipany.


Copyright Image : © Midi Madagasikara

Fandresena roa sosona

Ny "basket 5x5" no nahazoana vokatra voalohany. Samy nandresy avokoa na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy. Medaly volamena avokoa no niambozonan'ireo mpilalao malagasy rehefa nahazo vokatra 59-53 ho an'ny vehivavy ary 62-54 ho an'ny lehilahy. Marihana moa fa ekipam-pirenen'i La Réunion hatrany ny mpifanandrina. Tamin'ny fiafaran'ny lalao notanterahin'ny sokajy lehilahy dia niroso avy hatrany tamin'ny fanolorana ireo medaly ny mpikarakara.


Copyright Image : © FMBB

Fampirapiratan'i Madagasikara

Tsy ny teny Mahamasina ihany no nisy vaovao tsara. Nitotorebika ihany koa ny teny Andohatapenaka. Samy lavon'ny Makis avokoa ny ekipam-pirenen'i La Réunion lahy sy vavy. Tamin'ny fifanandrinan'ny vehivavy dia 26-0 ny isa nisarahana. Nahafaty baolina kosa ny vahiny lehilahy ka nahazo isa 14, nefa resin'ny malagasy tamin'ny isa 17.
Nizotra am-pilaminana avokoa na ny "finale" foot na basket na rugby androany. Nanaja ireo lamina rehetra efa napetraka ireo mpijery. Ho an'ny basket manokana, tamin'ny 6 ora maraina dia efa nanomboka nilahatra manolona ny Palais des Sports Mahamasina ireo nanana "billet".


Copyright Image : © Makis

Lire la suite

Articles Similaires