• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Sport

Lalaon'ny Nosy : Nankasitraka ireo atleta i Andry Rajoelina

01/09/2023 23:46 © Moov.Mg

Nanoratra hafatra manokana ho an'ireo mpikatroka rehetra amin'ity lalaon'ny Nosy ity ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, izao alina izao.

Tsara ny vokatra. Tsy azo lavina izany na misy aza ny tsy fifankahazoana amin'ny lafiny politika eto Madagasikara. Nitondra avo ny sainam-pirenena Malagasy avokoa ireo atleta rehetra ka nahazoana izao fandresena izao. Mitarika hatrany mantsy i Madagasikara amin'ny "classement provisoire" hatramin'izay nanombohan'ny lalao. Maha-velom-panantenana izany satria roa andro sisa dia hifarana izany lalaon'ny Nosy izany.

Lanja miakatra

Raha 100 ny medaly volamena azon'i Madagasikara tamin'ny taona 2007, Lalaon'ny Nosy nampiantranoana 16 taona lasa izay, mihatsara tokoa ny vokatra. Hatramin'ny androany 01 septambra mantsy dia efa 109 ny medaly volamena norombahina.
"Enina ambin’ny folo taona aty aoriana, mamiratra indrindra eto amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana i Madagasikara. Mankasitraka manokana anareo atleta sy mankahery anareo hatrany izahay Malagasy iray manontolo. Reharehanay tokoa ianareo. Tohizo ny fandresentsika, asandrato avo hatrany ny fanevam-pirenentsika. Eo anilanareo ny vahoaka iray manontolo.
Tsy maintsy mandresy i Madagasikara! ", hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Fanotronana

Tonga nanotrona ny lalao Karaté-do moa i Andry Rajoelina androany, amin'ny maha-mpikatroka ny tenany. Nandray anjara tamin'ny fanolorana medaly ihany koa ny tenany. Medaly volamena 3 amin’ny 4 niadiana no azontsika malagasy ary medaly volafotsy iray.

Miisa 8 izany hatreto ny medaly volamena azon’ny Madagasikara tamin'ny taranja karate.
Ireto avy ireo nahazo medaly volamena androany 01 septambra :
-RAKOTOBE Fenosoa, sokajy Kumite Individual Female -50 kg
-ANDRIANAVALONA Tsiky mialy, sokajy Kumite Individual Female -55 kg
-RANTSORAMANANA Tanjona, sokajy Kumite Individual Male -60 kg
Ny lalao famaranana moa dia tanterahina ny 02 septambra ao amin'ny kianja mitafo Mahamasina (Palais des Sports)


Copyright Image : © SENVH

Lire la suite

Articles Similaires