• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Sport

Sport 2000 : Trano fivarotana ny fitaovana natokana ho an’ny fanatanjahantena

01/09/2023 19:11 © Moov.Mg

Anisan’ireo magazay lehibe fanta-daza amin’ny resaka fivarotana fitaovana manodidina ny fanatanjahantena ny Sport 2000. Tonga eto Madagasikara izany ankehitriny.

Fanokanana ny toeram-pivarotana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alakamisy 31 aogositra tetsy Ankorondrano ny magazay Sport 2000. Olona manan-kaja maro no tonga nanome voninahitra ny fotoana. Hita teny an-toerana tamin’izany ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, André Haja Resampa, ny ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Vavitsara Rahantaniriana Gabriella, ary ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina.

Fifanojoana amin’ny lalaon’ny Nosy

Mifanojo tanteraka amin’ny fanatanterahana ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izao fisokafan’ny magazay Sport 2000 izao, hoy ireo nandray anjara tamin’ny lanonana fanokana ity tranom-barotra ity. Fomba iray hanomezana lanjany bebe kokoa ny fanatanjahantena eto Madagasikara tokoa ny fisokafan’ny magazay miompana amin’ny fitaovana ara-panatanjahantena toa izao.
Anisan’irony magazay mifantina ireo karazana fitaovana avo lenta avy amin’ny marika maro samihafa fantatra maneran-tany ny Sport 2000. Ao ohatra ireo fitaovana fampiasa amin’ny ski, ny hazakazaka, ny fanatanjahantena amam-bondrona (sports d’équipes), fitness, ary ireo fanatanjahantena fatao an-kalamanajana (sports en plein air).
Zava-dehibe ho an’ireo mpankafy ny fanatanjahantena ny fisian’ny toeram-pivarotana toa izao. Fomba iray hahafahana mampiroborobo ny fanatanjahantena ihany koa izany satria afaka misitraka fitaovana isan-karazany amin’ny vidiny mirary ny rehetra. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy fa ny hetsika ara-kolotsaina sy ara-panatanjahantena toa ny atao mandritra izao lalaon’ny Nosy izao dia mandrisika ny tanora hisafidy ny fanatanjahantena sy ny zava-kanto, manoloana ny firongatry ny zava-mahadomelina.
Amporisihana ary ireo rehetra te hisehatra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena hiroso amin’izany, mba ho tombotsoan’ny lafin’ny ekonomia, fa ihany koa mba ho tombotsoan’ny tanora sy ny firenena iray manontolo.

Lire la suite

Articles Similaires