• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Sport

Lalaon’ny Nosy – Kick Boxing : Medaly volamena miisa dimy ho an’ny Madagasikara

01/09/2023 15:00 © Moov.Mg

Tsara ny vokatra ho an’ny taranja Kick Boxing raha ny tapak’andro maraina androany no jerena. Medaly miisa fito be izao manko no azo nandritra ny lalao, raha ny tapan’ny maraina fotsiny no resahana.

Lalao famaranana

Androany maraina no nanomboka ny lalao famaranana ho an’ny taranja Kick Boxing mandritra ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity. Etsy amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana izany ankehitriny. Raha ity tapany maraina ity hatrany no jerena dia fifanandrinana fito no notontosaina. Enina tamin’ireo fito no nandraisan’ny ekipa malagasy anjara.
Hatreto dia tsara ny vokatra raha ho an’i Madagasikara manokana, satria mitarika ireo mpifaninana malagasy manoloana ireo mpifaninana avy amin’ny Nosy rahavavy hafa. Fantatra ary fa medaly volamena dimy, medaly volafotsy iray ary medaly alimo iray no efa norombahantsika nandritra ny tapany maraina. Ny efatra amin’ireo medaly volamena dimy dia azo tamin’ny sokajy vehivavy ary ny iray tamin’ny sokajy lehilahy. Vehivavy ihany koa no nandrombaka ilay volafotsy iray ary lehilahy no nahazo ny medaly alimo iray.

Vokatra nandritra ny tapany maraina

Zaraina aminao ary ny anaran’ireo mpikatroka kick boxing malagasy nahazo ireo medaly fito nandritra ny tapan’ny maraina teo.
1 – Famaranana Sokajin-danja:48kg
RANDRIAMIARINA Bienvenue Natacha (Madagasikara) vs ARAUX Brunela (La Réunion)
Tompon-daka: RANDRIAMIARINA Bienvenue Natacha (Madagasikara)
2 – Famaranana Sokajin-danja:52kg
RAKOTOARISON Raharivololona Sandra Félicité (Madagasikara) vs RATHBONE Marie Stannia Jammies (Maurice)
Tompon-daka : RAKOTOARISON Raharivololona Sandra Félicité (Madagasikara)
3 – Famaranana Sokajin-danja:56kg
RAHARIMANANA Soloniaina Claudia (Madagasikara) vs CORET Marie Anaëlle (Maurice)
Tompon-daka : CORET Marie Anaëlle (Maurice)
4 – Famaranana sokajin-danja:60kg
PROSPER Marie Mégane Shane (Maurice) vs RAZANABAHOAKA Elysée Faratiana (Madagasikara)
Tompon-daka : RAZANABAHOAKA Elysée Faratiana (Madagasikara)
5 – Famaranana sokajin-danja:65kg
MACHILLOUR Issa Elhadji (Madagasikara) vs SAID Therèse (Mayotte)
Tompon-daka: MACHILLOUR Issa Elhadji (Madagasikara)
6 – Famaranana sokajin-danja:51kg
JEAN DE DIEU Fidèle Arson (Madagasikara) vs DINALLY Jean Cedrick (Maurice)
Tompon-daka : JEAN DE DIEU Fidèle Arson (Madagasikara)
7 – Famaranana sokajin-danja:54kg
ROBERTSON Jean Christopher Warren (Maurice) vs PASSEREL Cédric (La Réunion)
Tompon-daka : ROBERTSON Jean Christopher Warren (Maurice)
Mbola mitohy amin’izao tolakandro izao ny lalao famaranana ho an’ny taranja Kick Boxing. Ary mbola mandray anjara amin’izany ireo mpikatroka malagasy. Toa ny tamin’ny maraina dia fifanandrinana enina amin’ireo fito no hiakaran’ny malagasy eny ambonin’ny kianja.

Lire la suite

Articles Similaires