• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Sport

Lalaon’ny Nosy 2023 : Mamirapiratra i Madagasikara

31/08/2023 18:49 © Moov.Mg

Enina andro androany izay no nanomboka ny lalao sy ny fifaninanana isan-karazany ao anatin’ny Lalaon’ny Nosy. Mitohy ny lalao

Raha ny androany 31 aogositra manokana no jerena dia 12 ny isan’ny taranja nokarakaraina sy nifaninanan’ireo mpikatroka. Ao anatin’izany ny Athlétisme, ny Badminton, ny Football, ny Handball, ny Karate, ny Kickboxing, ny Lutte, ny Para athlétisme, ny Pétanque, ny Tennis, ny Tennis de Table ary ny Volleyball. Zaraina aminao ary ireo voka-dalao tamin’ireo taranja sasany androany izay nandraisan’ireo mpilalao malagasy anjara.

Pétanque : Nahazo medaly volamena i Madagasikara

Notontosaina androany teny amin’ny Complexe Vontovorona ny lalao famaranana ho an’ny taranja « Pétanque » sokajy Doublette Hommes. Taorian’ny lalao famaranana dia nibata medaly volamena indray ny malagasy izay nosoloin’i Alhenj Tonitsihoarana Ulricha sy i Rakotoarisoa Yves Sédrick tena. Ekipa Maorisianina kosa no teo amin’ny laharana faharoa ka nahazo ny medaly volafotsy.
Mbola Morisianina ihany koa no teo amin’ny laharana fahatelo ka nahazoan’izy ireo ny medaly alimo. Malagasy kosa no teo amin’ny laharana faha-efatra izay nisy an’i Rakotomamonjy Célestin sy Razafimahatratra Herilantosoa. Nahazo medaly alimo ihany koa izy ireo.

Volley-ballVehivavy : Tafiakatra amin’ny dingana famaranana ny malagasy

Tsara ny vokatra. Izay no azo mahafehy ny tontolo andro androany ho an’ny taranja. Niady dia niady ny lalao, fa na izany aza dia azon’ny malagasy ihany ny fandresena teo amin’ny lalao manasa-dàlana manoloana ny ekipan’i Maurice. Hiakatra aminy lalao famaranana ary ireo vehivavy malagasy mpikatroka ny volley-ball rehefa nisaraka tamin’ny isa 15 noho 11 ny lalao androany.
I Seychelles no hifanandrina amin’ny malagasy amin’ny lalao famaranana rehefa nandavo ny ekipan’i La Réunion. Ny alahady 03 Aogositra izao kosa no hiatrika izany lalao famaranana izany ireto ekipa roa sangany ireto.

Football : Tafakatra finale i Madagasikara

Nahavelom-panantenana ny mpitia baolina kitra malagasy ny voka-dalao omaly. Resin'i Madagasikara tamin'ny isa 4-2 i Comores. Mbola tsy ampy 5 minitra moa ny lalao dia efa nahafaty baolina 2 sahady ny ekipa Malagasy. Tamin'ny fiafaran'ny premier mi-temps dia 2-1 ny vokatra. Niezaka nanarina ny komorianina ka nahatafiditra baolina iray tamin'ny fizaram-potoana faharoa, saingy mbola nanampy isa roa ny ekipam-pirenena malagasy ka izao nibata fandresena izao
Naneho ny fahaiza-manaony tanteraka ny Barean'i Madagasikara, izay tarihan'ny Coach Roro.

Karate : Volamena 5 no azon'i Madagasikara

Androany ihany koa no nanatontosana ny lalao famaranana ho an’ny Taranja Karate. Anisan’ireo taranja nahazoan’i Madagasikara medaly volamena maro ho amin’ny androany ihany koa ity taranja ity.
Nandrobaka ny medaly volamena ary i Raherimahaleo Jean Mbyck rehefa nandresy ilay tera-tany La Réunion teo amin’ny lalao famaranana. Nisy mpilalao efatra hafa ihany koa nahazo medaly volamena :
-Karine Elodie Razafimboninahitra, catégorie dames61kg
-Jessica Soary Raboanaritompo , catégorie dames68kg
-Nancy Maria Ravahamanantsoa, catégorie dames +68kg
-Fenosoa Patrick Rijaharitiana , catégorie hommes84kg
Azo lazaina ho tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny raha ny andro androany no jerena satria nahazo medaly volamena indray i Madagasikara. Ankoatra ireo medaly volamena dia nahazo medaly volafotsy ihany koa i Madagasikara teo amin’ny Tennis, izay nisy an’i Mialy Ranaivo sy i Toky Ranaivo. Anisan’ireo nibata medaly volafotsy ihany koa i Ramaroson Théophile, teo amin’ny taranja Athlétisme.

Lire la suite

Articles Similaires