• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Sport

JIOI 2023 - Athlétisme Paralympique : Nahazo medaly volamena i Nancy, tovovavy marenina

31/08/2023 16:51 © Moov.Mg

Fandresena hatrany no sitrahan'ny Malagasy amin'ity Lalaon'ny Nosy 2023 ity. Ho an'ireo atleta manana fahasembanana, ahitam-bokatra tsara ny fifaninanana.

Teo amin'ny hazakazaka 200 metatra sokajy vehivavy marenina, laharana voalohany i Madagasikara. I Nancy Andrianarindra moa no atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena teny amin'ny kianjan'Alarobia. Tsy izay ihany, fa nahazo vokatra tsara ihany koa ny lehilahy. Nahazo medaly alimo i Tolojanahary Fredon Rakotomanana.
Mirehareha tokoa i Madagasikara manana mpilalao mahay sady mahomby. Tsy sakana tokoa ny fahasembanana fa voa mainka aza manosika hanao ezaka misimisy kokoa.

"Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana". Alefa Madagasikara !


Copyright Image : © MEDD

Lire la suite

Articles Similaires