• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Sport

JIOI 2023 - Paralympiques : Medaly volamena sy volafotsy lasan'i Madagasikara

29/08/2023 20:19 © Moov.Mg

Tsy sakana amin'ny fiainana ny fananana kilema. Voaporofo izany androany 29 aogositra, tamin'ny taranja hazakazaka ho an'ireo jamba. Nandrombaka medaly volamena volamena sy volafotsy i Madagasikara, teo amin'ny sokajy 100 metatra lehilahy sy vehivavy.

Fandresena roa sosona

Mitombo hatrany ireo medaly azon'ireo mpilalao Malagasy amin'ity lalaon'ny nosy andiany faha-11 ity. Tamin'ny maraina teo, teny amin'ny kianjan'Alarobia, samy nandresy avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy teo amin'ny taranja hazakazaka 100 metatra.

Medaly volamena

Teo amin'ny laharana voalohany no nisy an'i Félix TOVONDRAINY ka notolorana medaly volamena. Ampy fanomanana tsara ny tenany sady efa azo lazaina fa zatra ny kianjan'Alarobia. Tsy dia nanahirana azy loatra ny nandresy ireo mpihazakazaka niaraka taminy. Fifaliana lehibe ny azy rehefa reny fa izy no tonga voalohany tamin'ireo mpihazakazaka rehetra.

Medaly volafotsy

Na dia laharana faharoa aza i Aurélie FARAVAVY, azo lazaina ho fandresena lehibe ho an'i Madagasikara izany. Araka izany, medaly volafotsy no azony. Nanao ny ainy tsy ho zavatra izy tamin'ny fifaninanana, na dia tsy mahita aza ny masony. Aurélie moa dia efa mpisolo tena an'i Madagasikara hatrany na amin'ny fifaninanana eto an-toerana na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.
Mendri-piderana manokana ireto atleta malagasy "non-voyant" ireto satria tsy nisy ny fianjerana na ny fivoahana ny "piste".

"Fandresena anaty firaisan-kina sy fahasamihafana". Alefa Madagasikara !


Copyright Image : © MEDD

Lire la suite

Articles Similaires