• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

JIOI 2023 : Basket 3x3 : Medaly volamena 2 azon'i Madagasikara

28/08/2023 20:12 © Moov.Mg

Mifarana hatreo ny taranja basket ho an'ny sokajy 3x3 amin'ity Lalaon'ny Nosy 2023 ity. Tontosa androany alatsinainy 28 aogositra ny lalao manasa-dalana sy famaranana. Vokatra tsara dia tsara no azo tamin'izany : fandresen'ny ANKOAY, na ny lehilahy na ny vehivavy.

Lalao roa sosona

Tontosa androany alatsinainy avokoa na ny "demi-finale" na ny "finale". Tamin'ny manasa-dalana, nandresy an'i Mayotte tamin'ny isa 21-7 ny Ankoay vehivavy. Izany indrindra no naha-tafakatra tamin'ny lalao famaranana, izay nifanandrinana tamin'i La Réunion. Izao nivoaka mpandresy izao, tamin'ny isa 21-9 ka notolorana ny medaly volamena.
Mbola medaly volamena ihany koa no norombahin'ny mpilalao zazalahy. I Mayotte moa no nifanandrina ka resy tamin'ny isa 21-11 izany nosy izany. Tsiahivina fa tamin'ny dingan'ny manasa-dalana dia i Maorisy no nifanandrina tamin'ny Malagasy. Natanjaka tokoa ireo mpilalao Malagasy satria tsy dia nisy fotoana nakana aina firy akory dia niatrika ny lalao fanindroany.

Nanohana fatratra ireo ekipam-pirenena Malagasy ireo androany ireo mpankafy avy eto an-drenivohitra, satria dia feno daholo ny toerana tao amin'ny parking Palais des Sports Mahamasina. Vao maraina moa dia lany ny "billet" fidirana.
Notanterahina ny hariva teo ny fanolorana ireo medaly. Nanotrona ny lanonana ny minisitry ny fanatanjahan-tena, ny minisitry ny toe-karena, ny minisitry ny asa vaventy sy ireo mpikarakara ny lalao na avy eto an-toerana na avy any ivelany.


Copyright Image : © FMBB

Ezaka mitohy

I Madagasikara no mitarika vonjimaika amin'ny "classement de médailles JIOI 2023". Tsapa sy hita fa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpifaninana tsirairay. Irariana ny mbola hahazoana vokatra tsara hatrany na amin'ny fanatanjahan-tena manokana na iarahana amin'ny namana.
Ampahatsiahivina fa mbola mitohy ny basket sokajy 5x5. Mbola misy tapakila hatreto amin'ireo "match" rehetra, manomboka rahampitso 29 aogositra ka hatramin'ny 2 septambra.
Alefa Madagasikara !


Copyright Image : © FMBB.jpg

Lire la suite

Articles Similaires