• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Sport

Ambatomitsangana : Mpangalatra tratra ambodiomby, niharan’ny fitsaram-bahoaka

24/08/2023 09:05 © Midi Madagasikara

Efa naratra sy nivontovonto be ihany ny tarehin’ity tovolahy iray 22 taona, tra-tehaky ny fokonolona tetsy Ambatomitsangana, teo am-pangalarana. Soa ihany nampandrenesina ny pôlisy ary natolotra azy ireo malaky ity farany, fa raha tsy izany mety ho sarotsarotra ihany ny nahazo azy.

Ny alin’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora alina tokoa mantsy dia nahazo antso ny teo anvion’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, tetsy Antaninandro fa misy olona voasambotra noho ny resaka halatra teny Ambatomitsangana. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny pôlisy ary nanesotra ity farany teo ambany hatezeran’ny fokonolona.

Talohan’io fotoana io tokoa mantsy dia nisy nahita ranamana. Somokitra dia somokitra tokoa teo am-panendahana varavarana iray. Ny andro efa maizina ihany, tany ho any amin’ny valo ora alina tany. Fantatra mazava anefa fa tsy azy velively ny trano nipetahan’ity varavarana ka raikitra avy hatrany ny akoralava. Nentanin’ny firaisan-kina ny rehetra ka nivoaka avy hatrany nifanampy tamin’ny fanenjehana ity mpangalatra tratra ambodi-varavarana ity. Tsy lasa lavitra ingahy dia voasambotra. Nentin’ny hatezerana sy tofoky ny resaka tsy fandriampahalemana ny sasany tamin’ireo mpisambotra ka avy hatrany dia nidaroka sy namono. Efa tsy nisy namantarana azy intsony ny lehilahy, noho ireo fivontosana teny amin’ny tavany.

« Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy Antaninandro nanaovana fanadihadiana ilay tovolahy. Efa nahazo fitsaboana sahaza azy kosa noho ny ratra nataon’ny olona saika hanao fitsaram-bahoka ity olon-dratsy ity » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy.

Lire la suite

Articles Similaires