• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Sport

Festival Wakawaka : Nanamarika ny andro anio ny Marathon

11/08/2023 15:25 © Moov.Mg

Notontosaina anio maraina tao amin’ny tanànan’i Sambava ny fifaninana ara-panatanjahantena Semi-Marathon. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Festival Wakawaka moa ity hetsika ity.

Mpandray anjara maherin’ny fitopolo

Lehilahy sy vehivavy maherin’ny 70 no nisoratra anarana sy namaly ny antso tamin’ity fifaninana semi-marathon izay nokarakarain’i Festival Wakawaka sy ireo mpiara-miombon’antoka ity. 59 no isan’ireo lehilahy nandray ny fiaingana ka ny 51 tamin’ireo no nahavita ny hazakazaka hatramin’ny farany. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia 12 tamin’ireo 15 tao anaty lisitra nandray fiaingana no tonga hatramin’ny farany. Vehivavy iray kosa no tsy nahatsiaro-tena ka voatery nentina teny amin’ny tobim-pahasalamana.

Vokatra

Halaviran-dàlana teo ho eo amin’ny 12 km teo no nataon’ireto atleta lehilahy, nandritra ity hetsika Semi-marathon ity, raha toa ka 8 km kosa izany ho an'ireo vehivavy. Araka ny vokatra dia i Tsirindra Alphonse no nibata ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy lehilahy. 35 minitra sy 05 segondra ary 16 ampaha-zatony no nanaovany io alaviran-dàlana io. I Rasoa Estrine kosa no mpandresy teo amin’ny sokajy vehivavy, ary 41 minitra 30 secondra sy 60 ampaha-zatony no nahavitany izany.
Tsara ny manamarika fa tsy mponina avy ao Sambava ireo nibata ny laharana voalohany ireo fa kosa avy eny amin’ny Faritra Diana. Tonga manokana tao amin’ny tanànan’i Sambava izy ireo mba handray anjara tamin’izao fifaninana Semi-marathon izao.

Hetsika hiadiana amin’ny zava-mahadomelina

Zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny tanàna ny fisian’ny hetsika ara-panatanjahantena toa izao, hoy ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Renivohitra Sambava, Judicael. Mampavitrika ny tanora, fa ihany koa manampy azy ireo amin’ny fitomboana ara-tsaina sy fahalalàna ny fanaovana fanatanjahantena.
Tanjona amin’ny hetsika ara-panatanjahantena toa izao ihany koa, hoy ny ben’ny tanànan’i Sambava, ny hanamafisana ny ady amin’ny fiankinan-doha amin’ny zava-mahadomelina. Tafiditra ao anatin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fisotroana toaka, ary ny fihinana katy. Entanina araka izany ny tanora mba hisafidy ny fanatanjahantena izay sady antoky ny fahasalamana no antoky ny fampandrosoana ny faritra Sambava.

Lire la suite

Articles Similaires