• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Med
Image
Sport

ASIEEF : Tsara ny vokatra ho an’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena

04/08/2023 11:02 © Moov.Mg

ASIEF Toamasina : Medaly volemana 20 hatreto no azon’ny delegasion’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena.

Medaly volamena 20

Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 31 jolay lasa teo no niatomboka ny lalao. Koa mpiasam-panjakana manodidina ny 20 000 manerana ny Nosy teo no nandray anjara tamin’izany.
Mahafapo tanteraka ny vokatra raha ho an’ny delegasion’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena manokana no resahana. Nandritra izay fiatombohan’ny lalao izay dia medaly 25 no azon’ny delegasiona tonga tany an-toerana. Ny 20 amin’ireo dia medaly volamena avokoa raha toa ka medaly volafotsy ny 05. Fantatra ihany koa fa ny taranja hazakazaka (athlétisme), ny karaté, ny kick boxing ary ny tennis ambony latabatra no anisany nahazoan’izy ireo medaly betsaka, raha tsy hiteny fotsiny ny medaly volamena 12 azo tamin’ny karaté.

Mitohy ny lalao

Mitohy hatrany ny lalao na dia teo aza ireo savorovoro nisy tany an-toerana. Raha hiverenana ny zava-nisy dia nanao toetra tsy mendrika ny ekipana miaramila nanao fitafiana sivily rehefa avy nisotrosotro. Nanao lozam-pifamoivoizana ny tuc-tuc nitondra azy ireo hody, ary teo no raikitra ny vava be sy fampitahorana izay nataon’ireo miaramila tamin’ilay voadoana. Niparitaka teo amin’ny tambazotran-tserasera ny raharaha, ary nandraisana fepetra ny sasany tamin’ireo miaramila.
Na dia teo aza ny fihoaram-pefy nataon’ireo ekipa sasany tao amin’ny delegasion’ny miaramila dia tsara ny vokatra ho azy ireo tamin’ny ankapobeny. Manoloana izany vokatra tsara izany dia nanambara ny teo anivon’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena fa « mankahery hatrany ireo atleta mba hitondra avo ny firahalahiana sy fahaiza-miaina entin’ny fanaovana fanatanjahan-tena. »

Lire la suite

Articles Similaires