• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi_Madagasikara
Image
Sport

Jeux de la francophonie - Lutte : Medaly volafotsy ho an’i Madagasikara

31/07/2023 16:05 © Moov.Mg

Norombahan’i Mbola Rakotoniaina ny medaly volafotsy teo amin’ny taranja « Lutte » sokajy latsaky ny 74 kg. Inty ihany koa ny medaly voalohany ho an’i Madagasikara.

Azo lazaina ho tsara sahady ny vokatra ho an’i Madagasikara amin’ny fandraisana anjara amin’ny Jeux de la Francophonie izay tanterahana ao Kinshasa, any Congo.

Vokatra tsara

Na dia resin’i Maxime Vasilioglo, ilay tera-tany Roumain, teo amin’ny famaranana tamin’ny isa 10 noho 0 aza i Mbola Rakotoniaina dia tsy nitsanga-menatra. Io laharana faharoa izay azony io tokoa no nahafahan’i Madagasikara nandrobaka ny medaly voalohany ho an’ity lalao iraisan’ny firenena miteny frantsay ity. Ankoatra izay dia azo lazaina ho efa tsara ny vokatra satria tsy nitsanga-menatra ny tenany fa nahazo ny laharana faharoa.

Lalao hafa handraisan’i Madagasikara anjara

Nanomboka anio alatsinainy 31 ihany koa ny lutte freestyle. Mpikatroka miisa enina no miatrika izany raha ho an’i Madagasikara manokana. Misy ihany koa ny lalao basket-ball izay andraisan’ny mpikatroka malagasy anjara. Marihina fa tafiakatra amin’ny manasa-dàlana moa ireo mpiaro ny voninahim-pirenena rehefa nandresy ny Tonizianina. Hifampikatroka amin’ny RD Congo kosa isika amin’ny lalao manasa-dàlana.
Hatreto dia mbola ao anatin’ny lalao tsara ireo mpifaninana malagasy. Ary miakatra tsikelikely ao anatin’ny fifanintsanana isan-karazany. Manohana azy ireo hatrany ny vahoaka Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires