• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

JIOI 2023 : Nahazo fampitaovana ny ANKOAY

27/07/2023 05:40 © Moov.Mg

JIOI 2023 Madagasikara : Notolorana kiraro, baolina sy fitaovana isan-karazany ny Ankoay iatrehana ny fanomanana

Fandresena no tanjona. Miara-misalahy amin'ny fanohanana ireo mpilalao Malagasy ireo Ministera isan-tsokajiny. Tohanana araka izay azo atao ireo mpilalao mba hibatan'i Madagasikara ny amboara maro indrindra mandritra ny Lalaon'ny Nosy 2023.

Iray volana sisa

Efa volana iray sisa no diavina dia tonga ilay fotoana nandrasana hatry ny ela. Mihamafy ny fanazaran-tena ho an'ireo mpilalao, amin'ny taranja rehetra. Ho an'ny taranja Basket-ball manokana, omaly izy ireo no naharay ireo fampitaovana izay efa nampanantenaina. Nozaraina Kiraro,Baolina 5x5, Baolina 3x3, Cordes, Lay sy Fanafody isankarazany ny mpilalao tsirairay, na lahy na vavy. Tsy adino ireo mpanazatra sy tompon'andraikitra mandray anjara mivantana amin'ny fampanomanan-tena. Marihana fa avy amin'ny ministera 3 ireo fanomezana ireo : Minisiteran'ny toe-karena sy ny fitatanam-bola, Miniteran'ny Filaminam-bahoaka ary ny Ministeran'ny Asa vaventy.
Efa isan'andro moa izao ny "entraînement". Misy fandaminana manokana kosa mba tsy ho reraka ireo mpilalao rehefa tena hikatroka ny fifaninanana.

Ankoay U25

Nanainga omaly alina ny ekipa Ankoay U25 Vehivavy. Hiatrika ny "Jeux de la Francophonie 2023" any Congo moa izy ireo. Ny fitondram-panjakana Malagasy moa no miantoka feno izao fandraisan'anjaran'ny Ankoay Madagasikara anjara amin'izao lalao izao. Nahazo vatsin-dalana ihany koa ireo olona 15 mandrafitra izany ekipa izany.
Na amin'ny Jeux de la Francophonie na amin'ny Jeux des Iles, samy nanamafy ireo mpialalao sy mpanazatra fa vonona hanandratra avo an'i Gasikara.
Alefa Madagasikara !

Lire la suite

Articles Similaires