• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Sport

Jeux des Iles 2023 : Handray anjara avokoa ireo Nosy Manodidina

26/07/2023 14:13 © Moov.Mg

JIOI 2023 : Tsy marina ny filazana fa tsy ho tanterahina eto Madagasikara indray ny lalaon'ny nosy, hoy ny minisitry ny fanatanjahan-tena. Efa nanamafy ny fandraisan'izy ireo anjara avokoa ireo Nosy manodidina.

"Ho tanterahina soa aman-tsara eto Madagasikara ny Jeux des Iles 2023. Efa vonona na ny fandraisana na ny mpilalao", hoy ny minisitry ny Fanatanjahan-tena Hasa Resampa androany, teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.

Fanohanan'ireo orinasa tsy miankina

Tontosa androany maraina teny Mahamasina ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny Fanjakana Malagasy sy ireo orinasa tsy miankina hanohana ny Lalaon'ny Nosy 2023. Eo ho eo amin'ny roa miliara moa ny fandraisan'anjaran'ireo mpanohana ireo.
Eo amin'ny lafin'ny serasera, ny Telma Madagascar no miandraikitra izany. Io orinasam-pifandraisana io no manao izay haha-lavorary ny fifandraisana an-tariby sy ny aterineto. Ny Eau Vive kosa no rano fisotro ofisialy mandritra ny lalao. Nirary soa ireo mpikarakara sy ireo mpilalao moa ireo mpanohana ireo mba hahombiazan'i Madagasikara amin'ny taranja rehetra.

Fitohizan'ny fiomanana

Ekena fa tsy mbola vita 100% ny fiomanana rehetra. Mbola misy iray volana mantsy vao manomboka amin'ny fomba ofisialy ny lalao. Tsy azo lavina nefa fa tsy mitsahatra na ny asa fanamboarana ireo kianja sy toerana handraisana ireo lalao, na ny fanazaran-tenan'ireo mpilalao. Ny kianja etsy Alarobia ohatra, izay andraisana ny taranja hazakazaka, dia efa eo an-dalam-pamaranana ny asa. Ny complexe Vontovorona indray, izay andraisana ny taranja lomano, dia efa vita ny asa nanamboarana ny "chauffage".
Misy ireo taranja, toy ny judo sy ny boxe, no mbola miandry ny fifanintsanana farany vao fantatra ireo mpilalao hisolo tena an'i Madagasikara. Araka izany, hivoaka tsy ho ela ny lisitr'ireo mpilalao isaky ny taranja.

Fanafarana sinoa ?

Nanambara ireo tompon'andraikitra fa tsy ny sinoa akory no hanatanteraka ny lanonam-panokafana ny JIOI 2023. Mpisehatra malagasy avokoa no handray anjara saingy mpanolo-kevitra fotsiny ihany ireo sinoa. Isan'andro moa dia misy fivoriana hatrany mba isorohana izay mety ho tsy fahatomombanana. Mikasika ny fampiantranoana ireo mpilalao avy any ivelany kosa, efa milamina tanteraka izany.

Lire la suite

Articles Similaires