• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmj
Image
Sport

Judo – championnats d’Afrique : Handray ny lalao i Madagasikara

25/07/2023 11:08 © Moov.Mg

Taranja Judo : Ny 27 hatramin'ny 30 jolay dia handray ny '' Championnats d'Afrique'' (cadet -junior) i Madagasikara, ao amin'ny Palais des Sports Mahamasina.

Atleta malagasy 36 isa no hiatrika ny fifaninana

Efa fantatra ankehitriny ny anaran’ireo atleta mpikatroka judo izay hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ity « Championnats d’Afrique » ity. Araka ny nambarany avy eo amin’ny federasiona malagasin’ny Judo dia 36 ireo atleta voafantina amin’izany. Ny 18 amin’ireo dia hiatrika ny fifaninana ho an’ny sokajy « Cadet ». Ny 18 hafa kosa dia tafiditra ao anatin’ny sokajy « Junior ». Hita eto amin’ny sary eto ambany moa ireo atleta handrafitra ny ekipam-pirenena. Tsy ao anatin’ny sary kosa i Laura Rasoanaivo, izay tsiahivina fa vao nigadona eto antanidrazana anio.


Copyright Image : © FMJ

Fandaharam-potoana

Mialohan’ny hanombohan’ny lalao ny 27 jolay dia tanterahana androany ihany koa ny fihaonana eo amin’ireo mpitsara ny lalao. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanazara-tena fara-parany hiatrehana ny lalao ihany koa ireo atleta malagasy ankehitriny. Hanokatra ny fifaninana ary ny sokajy Junior individuel ny 27 jolay raha toa ka ny 28 jolay ny « Junior par équipe ». Ny 29 jolay indray kosa no hiakatra eny ambonin’ny tatami ny « Cadet Individuel » raha toa ka ny 30 jolay izany ho an’ny « Cadet par équipe ». Efa vonona tanteraka ireo atleta malagasy hiaro ny voninahim-pirenena mandritra ity fifaninana ity. Mirary soa ho azy ireo mba hitondra avo ny lokom-pirenena.


Copyright Image : © FMJ

Lire la suite

Articles Similaires