• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmbb
Image
Sport

Basketball FIBA U19 : Laharana faha-14 i Madagasikara

02/07/2023 13:27 © Moov.Mg

Niatrika ny lalao fiadian-toerana (13ème place) indray ny Ankoay Madagasikara androany, izay nampifanandrina azy tamin’ny ekipa Egyptiana. Tsy nitsanga-menatra i Madagasikara na resin'i Egypta aza

Niondrika tamin’ny isa 104 noho 64 ny malagasy taorian’ny lalao, ary mitana ny laharana faha14 maneran-tany. Hita sy tsapa tamin’ity lalao ity fa efa tena nitaky ny harerahana ho an’ireo mpilalao malagasy. Tetsy andaniny dia hita ihany koa fa tsy ampy traikefa ireo mpilalao mpisolo-toerana ho antsika malagasy raha hoarina tamin’ny an’izareo Egyptiana. Ankoatra izay dia nahomby kokoa ireo egyptiana tamin’ny fitadiavana isa telo noho isika malagasy.

Raha atao ny jery todika dia ireto egyptiana ireto ihany no efa nifandona tamin’ny Ankoay Madagasikara, nandritra ny lalao fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika U18. Azon’izareo egyptiana moa ny amboara tamin’izany raha ohatra kosa ka nahazo ny laharana faharoa ny malagasy. Ireo ekipa roa voalohany sy faharoa ireo ary, izany hoe i Madagasikara sy i Egypta, no nisolo-tena an’i Afrika nandritra izao lalao fiadiana ny ho tompon-daka maneran-tanin’ny Basket-ball U19 izao.


Copyright Image : © FMBB

Misaotra Ankoay

Mifarana hatreto ary ny lalao ho an’ireto mahery fo Malagasy. Tsy nitsanga-menatra anefa izy ireo, na dia izany aza, satria efa nanamarika ny tantara tamin’ny fibatana fandresena roa. Ny voalohany nandritra ny lalao nihaonana tamin’ny Liban, ny faharoa kosa nandritra ny lalao niatrehana an’i Hongrie, izay tsiahivina fa nampiantrano ny lalao.
Mankasitraka ny Ankoay Madagasikara sy ireo ekipa teknika rehetra tamin’ny zava-bitan’izy ireo.


Copyright Image : © FMBB

Lire la suite

Articles Similaires