• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Andry Rajoelina
Image
Sport

Basket - Coupe du Monde U19 Hongrie : Nibata fandresena ny Ankoay Madagasikara

25/06/2023 23:53 © Moov.Mg

Tsy ny fetim-pirenena ihany no nampifaly ny vahoaka Malagasy androany. Nampiavaka ny takarivan'ny 25 jona 2023 ny voka-dalaon'ny Ankoay tany Hongrie.

Nivoaka mpandresy ny Ankoay Madagasikara. Resy tamin'ny isa 83 # 66 ny ekipan'i Liban. Tsara ny manamarika fa lalao faharoa ity natrehan'ny mpilalao Malagasy ity.
Fanomezana lehibe no atolotrareo Ankoay amin'izao an-katoky ny fety fankalazana ny niverenan'ny fahaleovan-tena izao. Mampirehareha amin’ny maha Malagasy antsika, hanamarika ny tantaran'i Madagasikara sy hampamirapiratra ny firenena Malagasy eo imason'izao tontolo izao ity fandresena voalohany azonareo tanatin'ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompon-daka maneran-tany ity" hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tao amin'ny pejiny.
Ny talata 27 Jona indray ny lalao manaraka hihaonan'ny Ankoay amin’ny Slovenie. Mankahery hatrany ny Ankoay amin'ny lalao ho avy.

Lire la suite

Articles Similaires