• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn_Telma
Image
Sport

Madagasikara vs Ghana : Nisaraka ady sahala ny lalao

18/06/2023 20:20 © Moov.Mg

Nisaraka ady sahala ny Barea sy ny ekipan’ny Ghana nandritra ny lalao fifanintsanana ho fiadiana ny CAN 2023, izay natao tao amin’ny kianjan’ny Mahamasina.

Anio no notontosaina tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina ny lalao miverina izay nampifanandrina ny ekipam-pirenenana malagasy tamin’ny ekipan’ny Ghana. Laolao izay tafiditra tanteraka tao anatin’ny fifanintsanana hiakarana tamin’ny CAN 2023 moa izany.
Nisaraka tamin’ny ady sahala ny lalao taorian’ny 90 minitra nilalaovana teny ambon’ny kianja. Na dia tsy nibata fandresana aza anefa ny ekipa malagasy dia nilaza i coach Roro, mpanazatra ny ekipa, fa zava-dehibe iny vokatra anio iny. « Zava-dehibe ho an’ny ambopon’ny malagasy iray manontolo, fa indrindra indrindra ho an’ny mpilalao ny nahafahana nitazona ny lalao ho ady sahala. Iny lalao izay natao teo iny dia nahafan’ny ekipa nanajanona indray ireny faharesena izay nisesisesy teo ireny. » Raha tsiahivina dia faharesana maro sosona no niainan’ny Barea nandritra ireo lalao hafa natao teo aloha. Anio anefa dia vitan’ny mpilalao no nitazona ny ekipan’ny Ghana, izay marihina fa ekipa anisan’ny manana ny maha izy azy tokoa aty Afrika.
Nahazo hery vaovao indray hiatrehana ny lalao manaraka, noho izany, ny Barea, na dia efa tsy an’isan’ireo hiady ny amboran’ny CAN 2023 izay ho atao any Côte d’Ivoire intsony aza. Ny fiandohan’ny volana Septambra ho avy izao tokoa dia mbola hisy ny lalao farany izay hifanandrinan’ny Barea amin’ny ekipan’ny Angola. Mbola vonona hiaro ny voninahim-pirenena hatrany ny ekipam-pirenena malagasy ao anatin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires