• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Sport

Taranja tsipy kanetibe : Misokatra ny Championnat de Madagascar 2023

16/06/2023 15:18 © Moov.Mg

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny « Championnat de Madagascar 2023 » ho an’ny taranja tsipy kanetibe.

Tafiditra tanteraka ao anatin’ireo lalao ho tontosaina mandritra ity taom-pilalaovana 2023 ity, io lalao nosokafana anio io. Mpilalao tsipy kanety be an-jatony maro, noho izany, no nisoratra anarana handray anjara amin’ity fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara 2023 ity.

Tonga mavitrika ireo mpilalao sy ireo mpikarakara

Ny 16, ny 17, ary ny 18 Jona 2023 no tontosaina etsy amin’ny kianja filalaovana tsipy kanety be (Boulodrome) Ivato, ambadiky ny building manarapenitra, ny « Championnat de Madagascar 2023 ». Anio no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy io lalao haharitra telo andro io. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Federasionan’ny Taranja Tsipy Kanetibe, Andrialemirovason Amiroudine, ireo filohan’ny ligy, ny solo-tena avy eo amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena, ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, ary indrindra indrindra ireo mpilalao sy ireo mpitsara ny lalao.
Mpilalao avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, no fantatra fa mandray anjara amin’ity « championnat de Madagascar 2023 ity. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ligy enina, izay tsy iza fa Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Haute Matsiatra, Alaotra Mangoro ary Menabe no tonga namaly ny antso. Faritra efatra ihany koa no miady ny lalao ankoatra ireo ligy, dia tsy iza izany fa Bongolava, Toliara, Boeny ary Ambositra.

Fifanindranana

Ny sokajy Senior Homme no misantatra ny lalao anio, izay andro voalohany hanatanterahana ny fifanintsanana isan-karazany. Mifanandrina mandritra ny ora maro araka izany ireo mpanjay anjara, anio. Raha ny sokajy Senior Homme hatrany no resahana dia fantatra fa 207 teo izy ireo no nisoratra anarana.
Ho an’ny rahampitso kosa, izay andro faharoan’ny fifaninana, dia ireo sokajy Senior Dame, Jeune, ary Vétéran no hiakatra eny amin’ny Kianja. Ny alahady ho avy izao ary no hiroso amin’ny lalao famaranana ireo mpilalao ho tafiakatra anio sy rahampitso.
Aorian’izao « championnat de Madagascar 2023 » izao dia hiroso amin’ny fikarakarana ny « Coupe de Madagascar » indray ny Federasiona. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny Federasiona, dia ireo mivoaka mpandresy amin’ity lalao manaraka ity, amin’ny sokajy Senior Dame sy Jeune, no hiatrika ny « Championnat du monde de Pétanque » izay ho tontosaina any Bangkok, any Thaïlande ny volana Novambra ho avy izao.

Lire la suite

Articles Similaires