• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

Kitra : Mitsahatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny FMF sy ny UFICASM

12/06/2023 17:23 © Moov.Mg

Anio no nanambaran’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra tamin’ny fomba ofisialy fa tapaka ny fiaraha-miasa misy amin’izy ireo sy ny Uficasm na ny "Union des Footbaleurs internationaux et des cadres sportifs Malgaches".

Tsy afaka mandray anjara amin’ny Tournoi amical Paris 2023 ireo mpilalao avy eto an-toerana

Herinandro maromaro izay no efa nisy ny olana teo amin’ny roa tonta. Raha tsiahivina dia ny Sabotsy 10 Jona lasa teo no nanambarany ny teo anivon’ny UFICASM fa tsy afaka ny handray anjara amin’ny « Tournoi amical Paris 2023 » izay tontonsaina any Frantsa ireo mpilalao Barea U23 milalao eto an-toerana. Nambara tamin’izany moa fa « tsy nomen’ny FMF ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fikarakarana ny Visa » no nahatonga izany.
Mpilalao enina noho izany ireo tsy afaka hiatrika ny lalao izay ho tanterahana ny 13 ka hatramin’ny 17 jona io, dia i Arnaud Randrianantenaina, El Hadary Raheriniaina, Ryan Hery Rajaonarivelo, Mamisoa Rakotoson, Andry Rakotondrajoa, ary i Claude Ratsimbazafy. Ireto farany moa raha tsiahivina dia mpilalao voafantina ao amin’ny Barea U23. Nanamafy izany tsy fifankazahoana misy eo amin’ny FMF sy ny Uficasm raha nilaza ity farany fa « Tsy afenina fa manana olana aminay ny FMF ».

Mampihato ny fiaraha-miasa ny FMF

Etsy an-daniny dia nitondra fanazavana momba izao fihatoan’ny fiaraha-miasa amin’ny UFICASM ihany koa ny FMF androany. Ity farany dia nilaza fa « Noho ireo fitarainana maro be voaray avy amin’ireo mpiara-miombon-antoka manodidina ny fitantanana ireo lalao fifanintsanana CAN 2023 nataon’ny UFICASM, izay nisy akony amin’ny imagen’ny FMF, dia nanapa-kevitra ny mpitantana ny hampihatoana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra sy ny fikambanana UFICASM ».
Raha tsiahivina dia tokony mbola manan-kery hatramin’ny taona 2024 tokoa ny fifanaraham-piaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta. Araka ny sonia izay nifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany tokoa dia ny UFICASM no tokony miandraikitra ny Barea U23 hatramin’ny taona 2024. Ankehitriny anefa, noho ny disadisa misy eo amin’ny lafny roa dia nahato izany fiaraha-miasa izany. Maro ary ireo mpankafy ny baolina kitra malagasy no mitaintaina manoloana izao toe-java-misy izao.

Lire la suite

Articles Similaires