• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The_Korea_Herald
Image
Sport

Taekwondo : Hanatanteraka fampisehoana aty Madagasikara ny avy ao amin’ny Kukkiwon

31/05/2023 14:28 © Moov.Mg

Hanatanteraka fampisehoana goavana mahakasika ny haiady « Taekwondo » eto Antananarivo ny mpikambana roapolo ao amin’ny Kukkiwon ny 10 sy ny 11 Jona ho avy izao.

Fampisehoana
Noho ny fifandraisana misy eo amin’i Madagasikara sy ny Repoblikan’i Korea, fa indrindra indrindra, noho ny fankalazana ny fahatelopo taonan’izany fifandraisana ara-diplomatika izany dia hisy ny fampisehoana Taekwondo izay ho atao eto Antananarivo. Ho tonga eto amintsika ireo mpikambana roapolo avy ao amin’ny Kukkiwon, izay marihina fa foibe maneran-tanin’ny Taekwondo.
Ny 10 Jona 2023 amin’ny 02 ora sy sasany tolakandro dia hanatanteraka fampisehoana goavana izy ireo, ka ao amin’ny Hôtel de ville an’Antananarivo no hanaovana izany. Ny 11 Jona 2023 amin’ny 04 ora hariva ihany koa dia mbola hisy ny fampisehoana izay ho atao ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina.
Fifandraisana ara-diplomatika
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana misy eo amin’ny Madagasikara sy ny Repoblikan’ny Korea ny fanomezan-dànja ny fanatanjahantena toa izao. Raha tsiahivina dia telopolo taona lasa izay no niverenan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’ny roa tonta.
Hisy, noho izany ny fampisehoana goavana mahakasika ny Taekwondo, araka ny efa natsidika tetsy ambony. Hiara-hisalahana amin’ny fanatanterahana izany ny masoivohon’i Repoblikan’i Repoblikan’i Korea eto Madagasikara, ny Kukkiwon, ny ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny federasiona malagasin’ny Taekwondo WT ary ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
Eny, efa mahasarika malagasy maro tokoa ity taranja iray ity. Efa maro ihany koa ireo efa mandàla sy mampihatra ny Taekwondo. Afaka tonga manotrona ny fotoana avokoa, araka izany, ireo rehetra izay liana amin’ity taranja ity, eny fa na ireo mpandala haiady hafa ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires