• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Sport

Prize Money CHAN 2023 : « Omeo ny mpilalao ny tambin-kasasarany », hoy i Andry Rajoelina

08/05/2023 08:48 © Moov.Mg

Niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera samihafa ny resaka momba ny mbola tsy nandraisan’ny teknisianina sy ny mpilalaon’ny Barea ny Prize Money. Ireto farany moa izay nandray anjara tamin’ny Chan 2023 natao tany Algerie ary nahazo ny medaly alimo.

Nandritra ny « Journée des médaillés » omaly dia nanome ny heviny momba ny fizarana ilay vola avy amin’ny Prize Money ny filoham-pirenenana Andry Rajoelina.

Telo volana aty aoriana, mbola tsy voaray ny tambin-kasasarana

Telo volana taorian’ny niatrehan’ny ekipam-pirenena ny CHAN 2023 dia fantatra fa mbola tsy nahavoaray ny tambin-kasasarany tamin’ny alàlan’ny Prize Money izy ireo, ny herinandro lasa teo. Nandeha tamin’ny tambazotran-tserasera ary ny filazana izay nataon’i Dax na i Andriamirado Arohasina momba io vola io. Araka ny nambarany dia mbola tsy natolotra azy ireo ilay loka nomen’ny CAF. « Ny marim-pankasitrahana sy vola tambin-kasasarana manokana nomen’ny filoham-pirenenana Andry Rajoelina, sy ny avy amin’ny orinasa mpanohana Telma Madagasikara ihany hatreto no mbola voaray. » hoy izy.

Fizarana tsy ara-drariny

Taorian’ny resabe izay nandeha teny amin’ny tambazotran-tserasera mahakasina ity Prime Money ity dia nanao fanambarana teo amin’ny pejy Facebook-ny ihany koa ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra ny 5 May lasa teo. Nambara tao anatin’io fampahafantarana io ary fa efa « narotsaka any amin’ny kaotin’ireo mpisehatra rehetra izay nitondra ny anjara birikiny tamin’ny CHAN 2023 ny Prize Money ». Fantatra fa tsy ny mpilalao ihany no nisitraka ny vola fa tao ihany koa ny klioba sy ny ligy izay nambaran’ny FMF fa nikolokolo ny mpilalao sy nahafahan’ireto farany manao fifaninana.
Niteraka hatezerana avy tamin’ireo mpilalao anefa izany fitsinjarana izany satria raha jerena dia tsy araka ny noeritreretina ny nizaran’ny FMF azy. Raha tsiahivina dia mitentina 500 000 dolara na 2 191 500 000 ariary io vola fanomezana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy sy ny ekipa teknika io. Ireto farany moa izay nandrobaka ny laharana fahatelo tamin’iny CHAN 2023 iny.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’ny filoha Andry Rajoelina omaly ary dia nilaza ny heviny momba ny raharaha ny tenany. « Omeo ny mpilalao ny prime fa izy ireo no niady mafy! Izy ireny no nahazo medaly ! Izy ireny no tsemboka. Mahamenatra ny tranga toy izao fa tokony zaraina araka ny rariny sy hitsiny ny prime. »

Lire la suite

Articles Similaires