• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm.Jpg
Image
Sport

Iavoloha : Notolorana mari-boninahitra ireo atleta nisongadina tato anatin’ny 4 taona

07/05/2023 16:16 © Moov.Mg

Notanterahana anio tetsy amin’ny Lapan’ny Iavoloha ny fanolorana mari-boninahitra ireo atleta Malagasy mendrika tato anatin’ny efa-taona.

Nasain’ny filoham-pirenenana Andry Rajoelina tetsy Iavoloha anio ireo atleta singany izay niaro ny voninahim-pirenenana nandritra ny fifaninana iraisam-pirenena maro isan-karazany.

Laharam-pahamehana ny fanatanjahantena

Anisan’ny teboka iray lehibe ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ankehitriny ny fanatanjahantena. Raha tsiahivina dia « tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana ny fanatanjahantena », hoy ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Haja André Resampa, nandrindra ny fandraisam-pitenenana nataony. Notsindriny ihany koa fa antoka iray nahafahan’ireo atleta nandray anjara tamin’ny lalao iraisam-pirenenana maro samihafa izany fanohanan’ny fitondrana izany.
Ho an’ny Filoha Andry Rajoelina dia « Mariky ny fandrosoan’ny firenena iray ny firoboroboan’ny fanatanjahantena ». Izany indrindra hoy izy no antony mahatonga ny fitondrana ankehitriny tsy mikely soroka amin’ny fananganana foto-drafitrasa maro isan-karazany mifototra amin’ny fanatanjahantena. Tao anatin’ny 4 taona dia kianja manara-penitra 30 no voatsangana. Tao ihany koa ny fanamboarana ny gymnase miisa 18. Misy amin’ireo asa ihany koa anefa no mbola andalam-pamitana.

Vokatra tsara

Tompon’andraikim-panjakana maro no nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana. Tonga teny an-toerana nanome haja ireo atleta ny Filoham-pirenenana, ny Praiministra lehiben’ny Governemanta ary ireo ministra. Fotoana lehibe tokoa io notanterahana anio tao Iavoloha io satria fotoana iray nentina nisaotra ireo atleta malagasy tsy nitandro hasasarana tamin’ny asa fanasoavana ny firenenana.
« Nampiredareda ny ambopom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ary nitondra avo ny fanevam-pirenena sy ny lazan’i Madagasikara manerana an’i Afrika sy maneran-tany mihitsy ny ezaka nataonareo tsirairay avy. » hoy i Andry Rajoelina tamin’ireo atleta. Nosinganina manokana tamin’ity journée des médaillés ity ireo mpikatroka ny taranja rugby, ny pétanque, ny tennis, ny taekwondo, ny Judo, ny karaté ary ny athlétisme.

Tsara tokoa ny vokatra ho an’ireo taranja ireo, izay toa izao ny ambangovangony :
Pétanque (Junior) : Tompon-dàka eran-tany ny taona 2021
Tennis : Tompon-dàkan'ny Afrika Afrika ny taona 2020 ho an’ny sokajy « par équipe U18 » ary nahazo medaly volafotsy roa ho an’ny sokajy U14 tamin’ity taona 2023 ity.
Rugby A7 femme : Tompon-dàkan’ny Afrika
Taekwondo : Tompon-dàkan’ny Afrika ny taona 2022
Judo : Tompon-dàkan'ny Afrika ny taona 2023 ary nahazo ny medaly alimo 7 ny taona 2020
Karaté : Tompon-dàkan’ny Afrika tamin’ny KATA virtuel 2020
Atletisma : Nibata medaly volamena 9 nandritra ny lalaon’ny Nosy 2019.
Lutte : Nibata medaly varahana iray taty Afrika ny taona 2020

Ireto indray kosa ireo mari-boninahitra notolorana sy ny isany avy :
Chevalier de l’ordre national : 15
Chevalier de l’ordre de mérite : 4
Commandeur de l’ordre de mérite sportif : 10
Officier de l’ordre de mérite sportif : 6
Chevalier de l’ordre de mérite sportif : 11

Lire la suite

Articles Similaires