• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Sport

Lalaon’ny Nosy : Mandroso ireo asa fanamboarana ny ministera

30/04/2023 10:21 © Moov.Mg

« Miasa andro miasa alina ny eto anivon’ny ministera amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy », hoy ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Haja André Resampa.

Manoloana ny siosion-dresaka izay milaza fa tsy ho tanteraka eto Madagasikara ny lalaon'ny Nosy dia nanamafy ny ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa tsy misy ny fiovana. Ho tanterahana eto an-toerana araka ny efa voatondro ny fifaninana.

Asa fanamboarana sy fanatsarana

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny asa fanamboarana sy fanatsarana ireo toerana voafidy hanatanterahana ny fifaninanana amin’ny lalaon’ny Nosy ny eo anivon’ny ministera mpiahy. Miroso amin’ny fanomanana ireo toerana handraisana ireo atleta na « site d’hébergement » ihany koa ireo teknisianina. Efa voafaritra tokoa manko ireo toerana handraisana atleta ireo ary efa mandroso ny asa fanamboarana, hoy hatrany ny ministra.
Fotodrafitrasa ara-panatanjahantena maro no fantatra fa hanatanterahana ireo fifaninana isan-karazany amin’ny Lalaon’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny kianja mitafo Mahamasina, Ankatso, sy Ankorondrano. Ao ihany koa ny akademia nasionalin’ny Fantajahantena eny Ampefiloha. Ankoatra izay dia ho ampiasaina mandritra ny lalaon’ny Nosy ihany koa ny dobo filomanosana ANS ao Ampefiloha, ny toeram-panatanjahantenan’ny CNaPS eny Vontovorona ary ny kianjan’ny ateltisma Alarobia.

Fikaonan-doha miaraka amin’ny federasiona

Filohan’ny federasiona maro izay no efa hita nitandahatra nanatanteraka fihaonana ara-panajana manoloana ny ministry ny Fanatanjahantena tato anatin’ny volana maromaro. « Fotoana iray ahafahana manatsara ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ny fihaonana amin’ireo filohan’ny federasiona » hoy hatrany ny ministra. Ilaina noho izany ny fikaonan-doha iarahana amin’ny ireo tompon’andraikitra isan-tsokajin’ireo federasiona samihafa.
Fantatra ihany koa fa hanomboka amin’io herinandro ho avy io ihany koa ny fanazaran-tena ho an’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipan’ny Handball izay ho tanterahana eto an-toerana ihany. Hisy ihany koa ireo athlètes izay hanatanteraka fiomanana any ampintan-dranomasina, hoy ny ministra. Ny 18 ka hatramin’ny 21 mey ho avy izao kosa no ho tanterahana eto Antananarivo ny fivorian’ny Komity iraisam-pirenena momba ny lalaon’ny nosy eto amin’ny ranomasim-be indiana na ny CIJ. Miroso araka ny tokony ho izy noho izany ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy izay ho tanterahana na dia eo aza ireo asa fanamboarana sy fanarenana maro isan-karazany izay tokony mbola ho tanterahana.

Lire la suite

Articles Similaires