• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Sport

BAREA CHAN : Fanolorana mari-boninahi-pirenena sy mari-pankasitrahana ho an’ny mpilalao sy ny Staff Technique

09/02/2023 20:23 © Moov.Mg

Notanterahina anio maraina tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fanolorana mari-boninahitra CHEVALIER DE L’ORDRE NATIONAL ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra ny Barean’i Madagasikara

Commandeur de l’ordre de mérite no azon’i Dax, satria efa nisitraka ny mari-boninahitra chevalier de l'ordre national Malagasy izy niaraka tamin'ireo ekipa Barea teo aloha. Chevalier de l’Ordre de Mérite kosa no nosalorana ireo Staff Technique. Nahazo "Certificat de mérite sportif" avy eo ireo "meilleurs joueurs".

Mendrika izany mari-pankasitrahana izany avokoa ireo izay niady ho an’ny firenena sy nitondra avo ny voninahi-pirenena hoy hatrany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Mahavelom-bolo ny firaisain-kina sy ny fahatokisan-tena nasehon’izy ireo nandritra iny CHAN iny ary afaka mirehareha isika fa manan-talenta ny mpilalao sy ny mpanazatra Malagasy. Tsy tamin’ny fandrombahana ny medaly alimo ihany fa indrindra ny fananana mpilalao voasokajy ho anisan’ny sangany indrindra aty Afrika. Izao ezaka nataon’ny Barea izao hoy ny Filoha dia nampiray ny Malagasy rehetra. Voaporofo hatrany hoy ny tenany fa “rehefa manam-pinoana sady arahina asa dia tsy maintsy tafita amin’izay rehetra atao.”

Ankoatra ny mari-boninahi-pirenena izay azon’izy ireo dia nomena azy ireo ihany koa ny “prime spéciale” avy amin’ny Fitondram-panjakana. Antenaina fa hitohy hamiratra ary indrindra ho lasa lavitra ny baolina kitra eto Madagasikara ho fanandratana avo ny ambompom-pirenena araka ny Velirano faha-13.

Lire la suite

Articles Similaires