• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fmf
Image
Sport

CHAN 2022 - Laharana faha-3 i Madagasikara : Ho tsenaina amin'ny fomba makotrokotroka ny BAREA ny alahady izao

04/02/2023 00:42 © Moov.Mg

1-0 ny valin-dalao nifanandrinan'i Madagasikara sy Niger, ny alin'ny 04 febroary 2023. Jean Yves no namono baolina tamin'ny minitra faha-90.

Higadona an-tanindrazana amin'ny alahady 05 febroary ho avy izao amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro ny Barean'i Madagasikara rehefa avy niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny CHAN 2022 tatsy Algérie.

Ho fanehoanta ny hafaliana sy ny firaisampo sy ho fankasitrahana azy ireo dia entanina ny vahoaka Malagasy manofahofa ny sainam-pirenena eny amin'ny lalana izay lalovany, miainga eny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato hatreny amin'ny Kianja Barea Mahamasina

Lanonam-be kosa no handraisana azy ireo eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina amin'ny 3 ora sy sasany tolakandro.

Lire la suite

Articles Similaires