• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Monde Animal
Image
Nationale

Rosia : Vehivavy tratra nitondra « maki », biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara

16/09/2024 11:26 © Moov.Mg

Vehivavy tera-tany rosianina iray no tratran’ny SFC (Service fédéral des douanes russe), sampandraharahan’ny fadin-tseranana any an-toerana, nitondra maki (lemur catta) an-tsokosoko, ny 10 septambra lasa teo. Nosamborin'ny mpitandro ny filaminana any Rosia izy, anaovana fanadihadiana.

Ahiana ho lany tamingana

Tsy mbola fantatra hatreto ny tena nahatonga io varika io teo am-pela-tanan'ity vehivavy ity. Raha tsiahivina mantsy dia biby tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny varika, ka tafiditra ao anatin'izany fianakaviam-be izany ny maki, antsoina ihany koa hoe : hira. Ity karazany ity rahateo no isan'ny malaza indrindra sy isan'ny hamantarana an'i Madagasikara. Toa ireo karazana varika hafa, dia biby arovana ny maki. Tafiditra ao anatin'ny lisitra menan'ny Fikambanana iraisam-pirenena ho fiarovana ny zava-boahary (UICN) ity karazany ity, izany hoe : ahiana ho lany tamingana. Noho izany, tsy azo ompiana izy ary tsy azo aondrana ihany koa.

Tsy manana fahazoan-dalana

Araka ny nambaran’ny tranonkala fampahalalam-baovao 7 sur 7.be, izay namoaka ity vaovao ity, dia nosamborin'ny mpitandro ny filaminana tao Orsk, tany Oblast d’Orenbourg, any amin’ny faritra atsimon’i Rosia eoropeanina, ilay vehivavy. Nafeniny tao anaty fiarany ilay maki, izay nokasainy hampidirina an-tsokosoko ao Kazakhstan. Nambaran’ilay vehivavy fa maniry ny hampanana taranaka an’ity varika vavy ity izy, mba hiarovana azy tsy ho lany tamingana. Ilàna fahazoan-dalana ôfisialy anefa ny fampidirana ny varika ao Rosia, saingy tsy nanana izany izy. Vokatr’izay dia napetraka any amin'ny ivon-toerana manokana aloha ilay biby ary mitohy kosa ny fanadihadiana an’ilay vehivavy.

Lire la suite

Articles Similaires