• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dago Moto
Image
Nationale

Fifamoivoizana : Miisa 5 ny loza teny amin’ny lalambaovao Ambohitrimanjaka tao anatin’ny iray volana

26/08/2024 12:00 © Moov

Iray volana monja, miisa dimy ny lozam-pifamoivoizana teny amin’iny lalambaovao Ambohitrimanjaka iny. Ny kodirandroa no tena betsaka amin’izany ary misy mihitsy ireo izay namoy ny ainy. Mbola misy ihany koa anefa ny olana samihafa amin’iny lalana vaovao vao amboarina iny.

Saika mandeha mafy avokoa ny fiarakodia sy ny kodiarandroa rehefa mandeha amin’ny lalana malalaka. Anisan'ny tena fandehanana mafy ny lalambaovao mampitohy an'Ambohitrimanjaka sy Ivato. Ny tsy fitandremana nefa no tena mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. « Amiko aloha dia tsy fitandremana ilay izy. Malalaka ny lalana ka manapatra ny herin’ny fiarany ireo mpamily. Amin’izay fotoana izay izy, na mahafaty olona na mamoy ny ainy », hoy ireo mponina manamorona iny lalam-baovao iny. Raha ny tamin’ny herinandro monja izao dia roa indray no tratra teny an-toerana ka namoy ny ainy tamin’izany ny iray. Ireo mponina rahateo mangataka ny mpamily amin’io resaka fitandremana io mba hahafahany miaro ny tenany sady miaro ny hafa ihany koa.

Mila vahaolana ho an’ny mpandeha tongotra

Nanamarika hatrany ireo mponina fa mbola tsy ahitana « passage piéton » na fiampitana voatokana amin’iny lalambaovao iny. Mbola andalam-panamboarana rahateo io lalana io amin’izao. Izany no vahaolana angatahan’ireo mponina mba hahafahan’izy ireo miaina am-pilaminana ihany koa. Na tsy eny amin’io lalambaovao io irery aza dia mbola maro ireo lalana mila ireny karazana « passage » ireny. Ilaina izany mba hamerenana indray ny fomba fanajana lalàna eny amin’ny lalana. Antony iray mahatonga ny ny lozam-pifamoivoizana rahateo ny fiampitana tampoka. Etsy andaniny anefa dia matetika loatra ny ahitana kodiarandroa tsy manaja ny lalànan’ny fifamoivoizana. Efa misy hatrany ny fanentanana fa ny fahatongavan-tsain’ny tsirairay no andrasana amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires