• Cours de change
  • 5137.87 AR
  • |
  • $4435.45 AR
Copyright Image : © Etat-Major-Des-Armées
Image
Nationale

Fanofanana miaramila : Manamboninahitra 32 eo anivon’ny tafika an-tanety nahazo mari-pankasitrahana ambony

05/08/2025 10:00 © Moov

Notanterahina, omaly Alatsinainy 4 Aogositra 2025, teny Andraoambo sy Fiadanana, ny fanomezana mari-pahaizana "Brevet de prestige" sy "Brevet ISTC" ho an’ireo manamboninahitra miisa 32, eo anivon’ny tafika an-tanety. Jeneraly roa sy manamboninahitra 30 mianadahy, no nisitraka izany.

Fampiofanana hentitra sy fanamafisana traikefa

Nisitraka izany "Brevet de prestige" izany ny Jeneraly Pikulas Démosthène, sy ny Jeneraly Samse Assimo Andriamialy" Sous-Chef d'État-major en charge de l'administration" eo anivon'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety. Izany dia noho ny fahaiza-mitarika sy ny fandraisana andraikitra manan-danja hataony eo anivon’ny Tafika.
Ireo manamboninahitra mpiofana nahazo ny « Brevet ISTC » ireo kosa dia avy amin'ny andiany faha 34 amin’ny " Cours de Qualification des Officiers Subalternes" na CQOS sy ny andiany faha 18 ny" Cours de Formation Complémentaire des Officiers"n°2 na CFCO2 izay voatendry hiasa eo anivon'ny Tafika an-tanety.
Nandritra ny telo herinandro no nanamafisan’izy ireo ny fahaiza-manao sy ny traikefany, tao amin’ny Centre d’entraînement des Forces Spéciales (CEFS) ao Arivonimamo, notarihin’ny Kapiteny Rakotobe Fanomezantsoa, izay nitarika ihany koa ny lanonana fametrahana mari-pankasitrahana.
Nitarika izany lanonana ara-miaramila izany ihany koa ny Jeneraly Rakotoson Jocelyn, lehiben’ny EMAT, notronin’ny Jeneraly PIKULAS Démosthène, Major Général de l’Armée de Terre, sy ireo manamboninahitra ambony hafa

Fanamby ho an’ny tafika ankehitriny

Nandritra ny lahateniny, dia nankasitrahan’ny Jeneraly Rakotoson ireo tompon’andraikitra sy mpampiofana rehetra. Nohamafisiny fa tokony haparitaka sy hampiharina amin’ny sehatra iasana ny fahaiza-manao azon’ireo manamboninahitra. Nanamafy ihany koa izy fa mila manamboninahitra manavao, mahavaha olana ary mahay manabe, ny Tafika ankehitriny, izay tanjon’ny fiofanana rahateo.
Nampatsiahiviny fa taorian’ny fanavaozana tamin’ny taona 2019, dia tafiditra ao anatin’ny "rojom-pibaikona organika" ny EMAT, miaraka amin’ny andraikitra amin’ny fanomanana sy fanofanana ho amin’ny asa eny ifotony (PREPAOPS). Namarana ny teniny izy tamin’ny tokony hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa, ho fampitana sy fizarana traikefa manerana an’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires