• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Minae
Image
Economie

Fandrosoana : Mitondra anjara biriky ny vehivavy

28/07/2023 10:58 © Moov.Mg

Ankalazaina isaky ny 31 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy Afrikana. Anisan’ny mankalaza izany i Madagasikara.

Ao anatin’ny fanakalazana io andro natokana ho an’ny vehivavy afrikana io indrindra ny hetsika izay tanterahana etsy amin’ny Parvis Analakely. Marihina fa nanomboka omaly izany hetsika izany ary mbola mitohy androany.

Vehivavy misehatra ao anatin’ny asa famokarana

Trano heva maro no hita mijoro etsy amin’ny Parvis Analakely mba hanamarihana ity andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikana ity, izay karakarain’ny ministeran’nyy Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia omaly 27 jolay no nanomboka izay fampirantiana izany, ary mbola mitohy androany 28 jolay.
Anisan’ireo mandray anjara amin’ity fampirantiana ity ny ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE). Raha ho an’ny MINAE manokana no resahana dia miompana amin’ny fanomezan-danja ny toeran’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny famokarana ny tanjona. Aseho mandritra izany fa manohana ny vehivavy mpamokatra ny ministera. Anisan’ny iantefan’ny tetikasa Titre vert, ny fandarahanasa DEFIS sy ny FORMAPROD tokoa manko ire vehivavy mpamokatra.

Vehivavy antoky ny fampandrosoana

« Fampidirana ny tontolon’ny nomerika sy ny teknolojia ho entina ho amin’ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy. » Io no lohahevitra ifotoran’ity hetsika izay karakarain’ny ministeran’ny Mponina ity. Araka izany lohahevitra izany dia jerena manokana ny hahafahana manome lanja ny vehivavy ao anatin’ny sehatry nomerika sy ny teknolojia. Antoky ny fampandrosoana tokoa ny fikarikarana ny nomerika sy ny teknolojia, fa indrindra indrindra ny fandraisana anjaran’ny vehivavy ao anatin’izany sehatra izany.
Tsy mijanona eo amin’ny sehatry ny ny famokarana sy ny teknolojia ihany anefa ny fampisitrahana ny zo fenony ho an’ny vehivavy. Satria, tanjona amin’izao hetsika izao ny « Hitomboan’ny fampisitrahana ny zon’ny vehivavy eo amin’ny sehatra rehetra », araka ny nambaran’ny MINAE. Manana ny fahaiza-manao toa ny lehilahy tokoa ny vehivavy, ary afaka mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena iray. Mbola maro anefa ireo olana sedrain’ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa, koa izany indrindra no antom-pisian’ny hetsika toa izao.

Lire la suite

Articles Similaires