• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Blueheel Dance Studio
Image
Culture

HIP HOP- Kolontsaina ho an’ny fahalalahana

06/08/2024 16:56 © Moov

Mitondra any amin’ny kolontsain’ny lalana sy fahasahiana hihoatra ny fiarahamonina ny Hip Hop

Hevitra roa no fonosiny

Misy endrika roa fonosin’ny tontolon’ny « HIPHOP » ao anatin’ny fiaraha-monina. Voalohany, ny fiheverana fa mitarika ny tanora haditra sy tsy hay fehezana ary tsy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy izany. Endrika faharoa isan’ny tena fonosiny kosa anefa ny hoe kolontsain’ny lalana ary natao hanabeazana ny rehetra ny « HIP HOP ». Ny lalana dia malalaka ary izay hevitra iray izay no mifehy ity kolontsaina ity. Raha ara-pamaritana « Anti-système, anti-conformiste » na mifanohitra ny rafi-piarahamonina sy mifanohitra amin’ny fenitra ara-piarahamonina ity kolontsaina iray ity. Manosika ny maro hanana fahasahiana mihoatra ny fiarahamonina. Tsy mitovy anefa ny fiaraha-monina rehetra. Raha ho an’ny amerikanina izay nipoirany, azo heverina ho masitsika ny fiainana ity kolontsaina ity any amin’izy ireo. Ho an’ny eto Madagasikara kosa, ny soatoavina malagasy no tena hapetraka toa ny fihavanana. Kolontsaina entina miady amin’ny fiainana ny « HIP HOP » raha ara-piforonanteny, avy aty amin’ny farany ambany mikatra any amin’ny farany ambony no hevitra fonosiny. Miankina amin’ny zavamisy hanana no entina hampivoarana ny tontolo.

Afaka entina manabe

Teraka tany Etazonia, New York ny HIP HOP. 50 taona no nisiany ary 40 taona izay no nahatongavany teto Madagasikara. Efa saika mandray azy avokoa ireo Malagasy ankehitriny. Kolontsaina an-tanandehibe izy ity ary eny amin’ireny faritra ireny no tena hahitana azy. Hita mbola tsy tafapetraka tsara kosa ny tena hevi-dehibe vohizana. Nambaran’ny mpitondra teny ny federasiona hip hop eto Madagasikara, Jenny RAMAROVALY « efa hita tafiditra eto Madagasikara ny HIP HOP, tsy mbola tena manaiky sy mahatakatra ny tena heviny ny ankamaron’ny olona fa manara-drenirano fotsiny ». Fanabeazana ary kolontsaina entina manabe ny HIP HOP. Mitaiza ny fiarahamonina ary entina hanamorana ny fifampiresahana eo amin’ny tsirairay. Ankehitriny, efa maro ireo sekoly mampiditra azy ho fialam-boly hivelany fianarana. Fandresena ho azy ireo ny fahazoana izay fahafahana izay. Namafy izany ny mpitondra teny ny federasiona hip hop « Misy ampahana ray amandreny no manaiky azy sy manaiky fa mitondra ampahana fahendrena ny hip hop ».

Lire la suite

Articles Similaires