• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Danielson Rado
Image
Culture

Vatomasina Vohipeno : Malagasy sy vahiny 15.000 isa no nandray anjara tamin’ny Fandroana Andriaka

11/12/2023 14:37 © Moov.Mg

Ny 7 sy 8 desambra lasa teo no tontosa tany Vatomasina Vohipeno ny Fandroana Andriaka, izay fomban-drazana mampiavaka ireo foko Antemoro Anakara. Mpizaika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy sy tera-tany vahiny maro no tonga nanatrika izany.

Fidiovana sy fibebahana

Efa natomboka ny 3 desambra ireo karazana hetsika nanodidina ny Fandroana Andriaka. Lalao ara-panatanjahatena no tena nibahana tao anatin’izany. Nisy ihany koa ny fanadiovana ny tanàna nataon’ireo tanora.

Ny 7 desambra kosa no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity Fomba ity. Taorian’ny fandraisam-pitenenana nifandimbiasana dia nanamarika ity andro ity ny fanazavan’ireo Randriambe sy Katibo (ray aman-dreny ao an-tanàna), tamin’ny olona rehetra, indrindra tamin’ireo vahiny, ny tokony atao sy ny fady. Isan'izany ny tsy tokony hihinana henan’omby, ny kisoa, ny toaka, ny tokony hanaovan'ny vehivavy taovolo araka ny nentim-paharazana sy ny satroka harefo... Ny marainan'ny 8 desambra dia namonjy ny moron-dranomasina ireo mpizaika. Nanao ny vavaka, izay nampitony ny ranomasina masiaka ao Vohipeno aloha ny Randriambe sy ny Katibo, izay vao niroso tamin'ny fandroana ny rehetra. Midika ho fidiovana sy fibebahana izany, mba hiatrehana ny taona vaovao.

Rano masina sy Tsodrano

Araka ny antontan’isa nampitain’ny Komity mpikarakara ny Fandroana Andriaka dia manodidina ny 15.000 no isan’ny olona tonga nandray anjara tamin'ity Fandroana Andriaka notontosaina tany Vatomasina Vohipeno ity. Ankoatra ireo Antemoro Anakara tompon’ny fomba, dia Malagasy marobe avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no tonga nanotrona. Nisy tera-tany vahiny avy any Eoropa sy Afrika ary avy amin'ny nosy rahavavy ihany koa, tonga nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ity. Rehefa vita moa ny fandroana dia nanao diabe indray ny mpizaika, niara-niverina tany Vatomasina. Nandalo tamin’ny ranon’i Mahazomora aloha ary naka tamin'izany. Heverina fa masina io rano io ary azo ampiasaina amin’izay ilàna azy mba hitondra fahasoavana. Araka ny fomba Antemoro Anakara dia nisy, ankoatra izay, ny fangatahana Tsodrano avy amin’ny Randriambe.

Lire la suite

Articles Similaires