• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Reko Band
Image
Culture

Tarika Reko : Hanolotra fampisehoana, ho fankalaza ny faha-5 taonany

30/11/2023 13:58 © Moov.Mg

Mankalaza ny tsingerin-taona faha-5 nisiany ny tarika Reko (Fy Rasolofoniaina). Fampisehoana, hotontosaina ao amin’ny CC ESCA Antanimena, no hanamarihan’izy ireo izany, amin’ny alahady 17 desambra ho avy izao.

Mpinamana lasa mpiara-mitendry

Fy Rasolofoniaina, sady mpihira no mpitendry gitara akostika, Zazah Maminiavo eo amin’ny apongamaroanaka, Princia Razakamahefa eo amin’ny gitara elektrika ary Diary Razafimamonjiraibe eo amin’ny gitara beso. Izy efatra mirahalahy ireo no mandrafitra ny tarika Reko. Mpinamana aloha izy ireo, tany am-piandohana, izay vao niaraka nitendry, ary dia izao nandrafitra tarika iray izao. Tsy hitahita akory ny niakaran’ny lazan’ny tarika tao anatin’izay 5 taona izay. Ny tononkirany, izay mandona fo, no tena nambabo ireo mpankafy azy ireo. Ny fiarahamonina iainana, raha ny filazany ombieny ombieny, no mitondra ny aingam-panahy ho an’i Fy Rasolofoniaina, izay mpamoron-kiran’ny tarika. Eo ihany koa ny famakiana boky sy ny fitiavana mianatra, izay mahatonga haingana ny zavatra tiana hosoratana ao anaty loha, hoy izy.

Tononkira mifono fitiavana

Efa raki-peo roa no navoakan’ny tarika Reko tao anatin’izay 5 taona niforonany izay. « Andao » no nivoaka voalohany ary nanaraka azy tamin’ity taona ity « Misia ». Ny “folk progressif” kosa no gadona anasokajian’ny tarika ny mozika lalaoviny. Malefadefaka, misy feo « rock » tsy mavesatra no re, rehefa mihaino an-dry « Tiako anao », « Mitonia » sns. Mazàna no heverin’ny olona fa mivoy hira evanjelika ny tarika Reko, saingy tsy izay loatra, araka ny fanazavan’izy efatra mirahalahy. Misy taratra soatoavina kristianina ao anatin’ny tonokiran’izy ireo, noho izy ireo mpino, saingy ny fitiavana, ny fifanampiana, ny firahalahiana, ny fitsinjovana ny hafa… no isan’ny lohahevitra resahan’izy ireo.

Tarika tsotra nefa kanto

Amin’izay maha-mpino ireo mpikambana ao anatin’ny tarika izay, dia fombafomba mahazatra azy ireo, mialoha ny fampisehoana, ny mivavaka. Eo koa ny fifanafatrafarana faramparany : mifampahatsiahy ny amin’ireo pitsopitsony tsy tokony hohadinoina. Efa nivoaka ny talata 21 novambra lasa teo moa ny tapakila, ho an’ity fampisehoana hataon’ny tarika Reko amin’ny 17 desambra ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana. Tovolahy efatra tsotra, no te hanolotra fampisehoana tsotra nefa kanto toa azy ireo ihany, mba hifampizaràna hafaliana ao anatin’izay fankalazana ny faha-5 taonan’ny tarika izay.

Lire la suite

Articles Similaires