• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © X
Image
Culture

Zava-kanto : Nindaosin’ny fahafatesana i Germain Rakotomavo, andrarezin'ny « tendry gasy »

27/11/2023 14:48 © Moov.Mg

Nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-70 taonany i Germain Rakotomavo, izay fantatr’ireo mpankafy gitara tendry gasy tsara. Niady tamin’ny aretina nandritra ny fotoana maromaro izy, no izao lasa any amin’ny varo-tsy mifody izao.

Toy ny mitendry valiha

Teraka tany Fianarantsoa i Germain Rakotomavo. Tao anaty tarika nivondronana zazalahy mpihira hira katôlika sy gregorianina no niantombohany, tarika izay noforonina pretra anankiray. Rehefa narary io pretra io, tany amin’ny taona 1977, ka tsy afaka nitarika ireo zazalahy mpihira ireo intsony dia nitsahara hatreo koa ny fihirana, ho an’i Germain Rakotomavo. Na izany aza, tsy nijanona kosa ny mozika, fa nanomboka nianatra nitendry indray izy. Mpampianatra azo lazaina ho sangany no nanofana azy, satria nivoaka avy ao amin’ny « conservatoire » an’i Parisy. Nianatra ny fomba fitendry klasika, « jazz », sy « folk » izy ary tao anatin’izany no nahatsikaritra fa azony atao ny milalao ny gitara, toy ny mitendry valiha. Hitany koa fa misy mpitendry vahiny, toa an’i Martin Simpson, mpanakanto tera-tany anglisy, mitendry ny gitarany amin’ny fomba nentin-drazana. Nanomboka teo no teraka ny « tendry gasy » nahalalana an’i Germain Rakotomavo.

Tarika Ny Antsaly

Nanomboka tamin’ny taona 1988 izy no niditra tao anatin’ny tarika Ny Antsaly, niaraka tamin-dRadafison Sylvestre. Ilay fampiaraham-peom-baliha sy gitara no tena nampiavaka ity tarika ity sy nahafantarana azy manerana izao tontolo izao. Ny hira vokatry ny tany avy eto afovon-tany no tena niangalian’ny tarika. Andrarezin'ny tendry gasy i Germain Rakotomavo. Izy no nitondra voalohany ny teknikan'ny tendry gasy amin'ny gitara teo anivon'ny Akademia Malagasy, tamin'ny 23 jona 1988, nandritra ny faha-zato taona nahatongavan'ny gitara teto Madagasikara. Nirehareha izy tamin’izany, raha nilaza fa « nanana izay namolahantsika sy nitendretsika io zava-maneno io isika Malagasy ». Ankoatra ny fitendrena dia efa namoaka lahatsoratra momba ny teknikan’ny tendry gasy ihany koa ity mpankanto sady mpanabe ity. Ny 26 novambra lasa teo no nampahafantarin’ny zanany tao anaty tambajotra serasera Facebook ny fodiamandrin’ity mpanakanto nanamarika ny fitendrena ba gasy ity.

Lire la suite

Articles Similaires