• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Vodkaster Télérama
Image
Culture

"Maman j'ai raté l'avion" : Horonantsary tsy mety lany daty

21/11/2023 11:35 © Moov.Mg

Tsy vitsy ireo fianakaviana no mankafy mijery "Maman j'ai raté l'avion" rehefa volana desambra. Lasa "tradition de famille" isaky ny krismasy mihitsy ny fijerevana izany horonan-tsary izany, sady misy karazany 6 be izao isafidianana.

Horonantsarin'ny taona 90

Tamin'ny taona 1990 no nivoaka voalohany ny "Maman, j'ai raté l'avion !" (Home Alone) notontosain'i Chris Colombus. "Comédie familiale" izy io, na horonantsary natokana ho an'ny fianakaviana. Aman-tapitrisany maro ny mpankafy izany; ary lasa horonantsary malaza tsy mety lany daty isaky ny krismasy. Na ankizy na olon-dehibe, samy liana ery mijery ny fahasahiana sy ny fahakingan-tsain'i Kevin izay tavela irery ao an-trano.

Ireto avy ireo tohin'izany horonantsary izany :
Maman, j'ai encore raté l'avion ! (Taona 1992),
Maman, je m'occupe des méchants ! (Taona 1997),
Maman, je suis seul contre tous (Taona 2002),
Maman, la maison est hantée ! (Taona 2012),
Maman, j'ai raté l'avion, ça recommence ! (Taona 2021)


Copyright Image : © Elle

Horonantsary mampitaintaina sady manome lesona

Fanaon'ny fianakaviana McCallister ny mandeha miala sasatra isaky ny krismasy. Misy sampona foana nefa amin'izany ka tsy hita ny tovolahikely iray, 8 taona, antsoina hoe Kevin. Matetika dia miady amin'ireo iray tampo aminy izy ka tsy tafafoha na diso fiaramanidina. Nisy fotoana izy dia naniry mihitsy ny hanjavonan'ny fianakaviany ary nihevitra fa tsara kokoa ny irery. Amin'ny maha-zandriolona azy mantsy dia migafifafy azy ireo iray tampo sy ireo havana. Mandritra ny fotoana maha-irery an'i Kevin, mifanandrina amin'olon-dratsy foana izy. Miaro ny tranony izy amin'izany. Nisy fotoana ihany koa izy niaro magazay mpivarotra kilalao. Tsy adino fa izy ihany no mikarakara ny tenany sy ny sakafony.
Na dia tsy dia nahatokisana loatra aza i Kevin ao an-trano, dia mampiseho herim-po sy fahasahiana izy. Asehony ihany koa fa tena manam-pahaizana ny tenany na dia mbola kely aza, satria manao "plan d'attaque" mihitsy izy isaky ny hifanandrina amin'ireo olon-dratsy. Mipepopepo ny reniny sy ny fianakaviany mitady azy, ary afaka miara-mankalaza ny krismasy miaraka hatrany.
Araka ny hita amin'ny sary, efa 43 i Macaulay Culkin (Kevin McCallister) fa tsy ankizikely intsony. Ilay naka ny anjara toeran'ny reniny kosa, Catherine O'Hara (Kate McCallister), dia efa 69 taona amin'izao 2023 izao.


Copyright Image : © Woman TV

Lire la suite

Articles Similaires