• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Culture

Akademia Malagasy : Nanampy isa ireo mpikambana ao aminy

27/10/2023 19:02 © Moov.Mg

Nandray mpikambana vaovao ny Akademia Malagasy, omaly teny Tsimbazaza. Fotoana ihany koa io nanaovana ny tatitry ny taom-piasana 2022-2023 ary nanatanterahana ny famelabelaran-kevitra momba an-dRainandriamampandry.

Mandalo dingana telo

Manodidina ny 200 isa ankehitriny ny akademisianina mikambana ao anatin’ny Akademia Malagasy. Misy ireo olona no mangataka hiditra ho mpikambana, fa misy kosa ireo izay antsoin’ireo efa ao anatiny. Mason-tsivana goavana ahafahana miditra ao anatiny, ny famoahana voka-pikarohana. Miankina amin’ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpikambana ny fanapahan-kevitra hampiditra mpikambana vaovao. Rehefa tafiditra dia mandalo antanantohatra telo, ka Mpifandray aloha, vao lasa Mpiombon’antoka, izay vao lasa Mpikambana Mahefa. Taona no isaina hitetezana ireo dingana rehetra ireo. Ny fivorian’ny Mpikambana Mahefa no manapa-kevitra ny amin’ny firosoan’ny mpikambana amin’ireo antanantohatra ireo sy manapa-kevitra amin’ny fiainan’ny Akademia Malagasy amin’ny ankapobeny.

Manandratra ny soatoavina malagasy

Araka izany, ny fanomezana lanja ireo voka-pikarohan’ireo manam-pahaizana no tena anjara asan’ny Akademia Malagasy. Mizara ho sokajy 4 izy ireo : ny sokajy Haikanto sy Hailaza, ny sokajy Haifiaina sy Haifitondra, ny sokajy Hairaha fototra ary ny sokajy Hairaha Ampiharina. Mampiantrano hetsika mifototra amin’ny soatoavina malagasy sy manandratra ny teny malagasy ihany koa ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza. Omaly izao no nitondran-dRavalitera Nalisoa sy Ranjatohery Harilala ny vela-kevitra momba “Ny Hafatr’i Rainandriamampandry ho an’ny taranaka malagasy”. Nisy ihany koa ny tatitra sy tomban’ezaky ny taom-piasana 2022-2023. Isan’ny nisongadina tao anatin’izany ny namoahana ny boky faharoa Rakibolana Rakipahalalana, izay nahitsy sy notovanana, nampiana teny vaovao.

Lire la suite

Articles Similaires