• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tribune-Com
Image
Culture

Kalon'ny Fahiny : Maty namela mamy i Abel Ratsimba

21/10/2023 19:38 © Moov.Mg

Lalana tsy maintsy izoran'ny miakandrefam-baravarana ny fahafatesana. Misaona ny Kanto Malagasy : nodimandry androany 21 oktobra i Abel Ratsimba.

86 taona i Abel Ratsimba Rakotomanga izao namoy ny ainy izao. Efa notsaboina tany amin'ny hopitaly izy saingy na teo aza ny ala nenina rehetra, hody vovoka ny tenany.
Ny taona 1963 no nanomboka niaka-tsehatra ny mpanakanto, ary tsy nety lefy laza mihitsy raha vao "kalon'ny fahiny no resahina". Ny taona 1969 ny tenany no namoaka ny hira malaza hoe "sahinao". Somary nihato kely izy nefa nanohy ny kantony ihany ka namoaka ny hira hoe "Ry alina o" ny taona 1984.
Hira anisan'ny tena nahafantatana azy ihany koa ny "𝑡𝑠𝑦 𝑛𝑜𝑓𝑖𝑘𝑜 𝑖𝑛𝑡𝑠𝑜𝑛𝑦", "h𝑎𝑑𝑖𝑠𝑜𝑎𝑘𝑜 𝑎𝑛𝑔𝑎𝑚𝑏𝑎", "𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑘𝑜 𝑣𝑎𝑜 𝑛𝑖𝑡𝑖𝑎", "Samy tia" sns. Maro ihany koa ireo hirana mpanakanto hafa fanaony matetika, indrindra rehefa miaka-tsehatra. Hita matetika niaraka tamin'i Henri Ratsimbazafy, Liza Raseta ary Voahirana. Tsy vitsy ireo mpanambady mbola misafidy ny hirany mandritra ny lanonana. Finaritra ery ny mpianakavy manao dihy mirindra amin'ilay hirany hoe "tsy nofiko intsony". Fampisehoana tsy hay adinoina no nataony tamin'ny taona 2018, izay nankalazany ny faha-55 taona niakarany an-tsehatra.

Tsy mpihira ihany i Abel Ratsimba fa sady mpamorona ihany koa. Ny nofony no ho levona fa ny kanto navelany kosa dia hitoetra. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany sy ireo mpiangaly kanto namany.


Copyright Image : © Dailymotion

Lire la suite

Articles Similaires