• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Culture

Fela Razafinjato : Notolorana mari-boninahitra noho ny ady ataony ho an'ny zon'ny olona manana fahasembanana

29/09/2023 09:44 © Moov.Mg

Tsy zoviana intsony i Fela Razafinjato eo amin’ny sehatry ny ady ho fampanjakana ny zon’ireo olona manana fahasembanana. Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahi-pirenena Chevalier de l’Ordre National izy, noho ireo asa rehetra vitany, izay mendri-piderana tokoa.

Nilofo tamin'ny fianarana

Isan’ireo filoha mpanorina ny ivon-toerana Sembana mijoro, no ahafantarana an’i Fela Razafinjato. Izy ihany koa no filoha nasionalin’ny AFHAM, ivondronan’ireo vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara. Teo amin’ny faha-telo taonany no nahazoan’i Fela Mijoro Razafinjato ny fahasembanana ara-batana, vokatry ny aretina lefakozatra. Nanosika azy hanana fahaleovan-tena hatrany anefa ireo ray aman-dreniny. Ny fampidirana azy an-tsekoly, handranto fahalalana, no hevitra hitan’izy ireo fa hanampy azy hanana fahaleovan-tena any aoriana. Nilofo tamin’izany tokoa izy, ka tonga hatrany amin’ny ambaratonga ambony.

Namoaka ny boky "Ny diako"

Ny volana jona lasa teo i Fela Razafinjato no namoaka ny boky mirakitra ny tantaram-piainany mitondra ny lohateny hoe : " Ny diako". Navoaka tamin'ny fomba ofisialy sy nampahafantarina teny amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara eny Ampefiloha izany, omaly. Niaraka tamin'izay no nanoloran'ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National » ho azy. Fanomezam-boninahitra lehibe ho an'ity renim-pianakaviana mahery fo ity izany, noho ireo ezaka vitany, na dia eo aza fahasembanany. Efa maromaro rahateo ny loka azon'i Fela Razafinjato, toy ny TOYP 2012 (Ten Outstanding Young Persons of the world) avy amin'ny Jeune Chambre Internationale sy ny loka ho an'ireo olona mampiasa ny teny frantsay mivoy ny miralenta (Prix Francophone pour l’Egalité des genres) tamin'ny taona 2021.

Mitantara ireo sedra niainany

Ny boky "Ny diako" moa dia mitantara ny sedra nodiavin'i Fela Razafinjato, ny asa sy ny ezaka nilofosany na dia teo aza ny fahasembanany ara-batana. Mitantara ireo sedra niainany tamin’ny fanilikilihana nahazo azy, nanomboka teo amin’ny fahatelo taonany ity asa-sorany ity, mitantara ireo ady nilofosany hampanjakana ny zon'ireo olona manana fahasembanana ihany koa. Mitondra lesom-piainana ho an'ireo olona manana fahasembanana ny "Ny diako", mba tsy hanao izany ho sakana amin’ny fampivelarana ny mahaolona fa vao mainka aza handrisika azy ireo hametraka fanamby sy hioitra hatrany. Araka ny nambaran'ny mpanoratra dia efa faniriany ny hamoaka boky mirakitra ny tantaram-piainany, ho an'ny faha-50 taonany, ary dia izao tanteraka izao.

Misy amin'ireo boky moa no napetraka ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara mba ho azon’ny besinimaro vakiana.


Copyright Image : © MSK

Lire la suite

Articles Similaires