• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Culture

Mpanoratra horonan-tsarimihetsika malagasy : Hahazo fiofanana matianina

28/09/2023 15:36 © Moov.Mg

Mbola vitsy ny mpanotra tantara malagasy miompana amin’ny horonan-tsarimihetsika na andian-tantara. Efa mihabetsaka anefa ny mpankafy horonan-tsary amin’ny teny malagasy. Porofon’izany ny mahatafiditra ny fahitalavitra Novegasy ho eo amin’ny laharana fahatelon’ireo fahitalavitra be mpijery indrindra, amin’ireo mpanjifa ny fehezana Canal+. Ho fanomezana fahafaham-po ny mpijery dia mitondra fanatsarana maromaro amin’ity fahitalavitra ity ireo tomponandraikitry ny Novegasy sy ny Canal+ Madagascar.

Niainga avy tamin’ny tsy nisy

Ny hampiala voly ny mpijery hatrany no tanjona, hoy Ramaherirariny Lalaharisoa, talen’ny tetikasa eo anivon’ny Canal+. Dimy taona lasa izay no niketrehana ny fahitalavitra Novegasy, hoy Razafindrakoto Onjatiana, tale jeneralin’ny Canal Plus Madagascar. Niainga avy tamin’ny tsy nisy ny namoronana azy, satria nila horonan-tsary marobe mba ahafahana mampandeha azy mandritra ny tontolo andro sy mandavan-taona. Tsy ampy nahavita iray volana akory anefa ireo horonan-tsary nananana tany am-boalohany. Ankehitriny kosa dia tantara mitohy vaovao manodidina ny 15 isa isan-taona no mandeha ao amin’ny Novegasy, izany hoe : raha atotaly dia andiany (épisode) 800 isa no azon’ny mpijery arahina ao anatin’ny taona iray.

Mpamokatra sarimihetsika voafantina

Nofantenana manokana ireo trano mpamokatra horonan-tsarimihetsika hiara-hiasa amin’ny Novegasy ho an’ny taona 2023-2024. Nisy ny fepetra manokana napetraka, toy ny hoe : tantara mitohy efa vita fanodinana tanteraka ny andiany no alefa. Ny trano mpamokatra Avoko Production, Pro Génération, Sarycom, Lamako Studio, Alpha Production, Outline Movie no nahafeno ireo fepetra hatreto, nefa mety mbola hitombo isa izany. Ho fanatsarana ny horonan-tsary vokarin’izy ireo dia hisy ny fampiofanana ireo mpanoratra tantara, mba hampitana traikefa sy hanatsarana ny sanganasa. Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa Canal+ university izany. I Sonia Zain, mpamokatra sady mpampiofana matianina avy any Côte d’Ivoire no hampiofana, manomboka ny 30 ôktôbra hatramin’ny 4 novambra ho avy izao.

Andian-tantara « Sora-jandiana »

Fampanantenana nataon’ny Novegasy sy ny Canala+, nandritra ny lanonana « Novegasy Awards 2023 », ny hamadihana horonan-tsary vahiny iray ho amin’ny teny malagasy. Tontosa izany ankehitriny, ka manomboka any ho any amin’ny 20 desambra 2023 dia ho azo arahina ao amin’ny fahitalavitra Novegasy ny « Sora-jandiana ». Andian-tantara novokarin’ny fahitalavitra indianina ZEE TV izy io no navadiky ny «Avoko Production » amin’ny teny malagasy, natao mifandraika amin’ny foto-pisainana gasy ary lalaovin’ny mpilalao malagasy rahateo. Hihoatra ny 100 ny andiany amin’ity tantara ity ary efa roa taona latsaka izao no namolavolana azy, hoy i Avoko Rakotoarijaona, tomponandraikitra voalohan’ny Avoko production. Nomarihiny fa nahazoana alalana tanteraka ny fandikana ity andian-tantara ity, mba ho sahaza ny Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires