• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Isart Galerie
Image
Culture

Maherisoa Rakotomalala : « mandoro saron-tava » ao amin’ny Is’art Galerie

01/09/2023 13:54 © Moov.Mg

« Manao saron-tava daholo ny olona ankehitriny ». Izay no fahatsapan’i Maherisoa Rakotomalala ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao. Izany indrindra no antony nahatonga azy nisafidy ny lohahevitra hoe : « Brûlent les masques », na hoe : « Doroy ny saron-tava » raha adika malalaka, ho an’ny fampirantiana ataony eny amin’ny Is’Art Galerie Ampasanimalo. Nanomboka omaly io fampirantiana hosodoko io ary haharitra hatramin’ny faran’ity volana septambra ity.

Miverina amin’ny maha-izy azy

Mitarika any amin’ny fandinihana ny fiarahamonina malagasy ankehitriny ireo sanganasa arantin’i Maherisoa Rakotomalala ao anatin’ny « Brûlent les masques ». Tsy mampiseho ny endrika tena maha-izy azy avy ny olona amin’izao fotoana izao, hoy izy, fa betsaka amintsika no mialokaloka ao anaty « masque ». Misy hafatra tiany ampitaina, noho izany, amin’ny alalan’ireo hosodoko asehony, dia ny fanafoanana ireo saron-tavan’ny fiarahamonina sy ny fiverenana amin’ny tena maha-izy ny tsirairay ao anatin’izany fiarahamonina izany. Ny fiafenana ao ambadik’io saron-tava io mantsy no mahavery ny olona, ka ilaina indray ny mamaritra lalana vaovao hiverenana amin’ilay maha-izy azy ny tena.

Manetsika ny feon’ny fieritreretana

Sary hosodoko vita amin’ny loko akrilika miisa 11 no miranty ao amin’ny Is’art Galerie mandritra ny iray volana. Mitondra any amin’ny tontolon’ny amparahatoka sy manetsika ny feon’ny fieritreretana ary ny nofinofy no fomba niangalian’i Maherisoa Rakotomalala azy ireo, izany hoe : voasokajy ao anatin’ireo sangan’asa « surréaliste ». Maro loko, manaitra maso, nefa maka fotoana ihany koa ny fandinihana azy, mba ahafahana manakatra ilay hevitra tian’ny mpanakanto avoitra.

Lire la suite

Articles Similaires