• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mcc
Image
Culture

Kianjan’ny Hiragasy, lasa Kianja Rasamimanana Rochel na Rapetit

30/08/2023 16:51 © Moov.Mg

Kianja Rasamimanana Rochel na Rapetit, io no anarana vaovao nomena ny Kianjan’ny Hiragasy etsy Anosy.

Manomboka androany dia misalotra anarana vaovao ka lasa Kianja Rasamimanana Rochel na Rapetit, ny Kianjan’ny Hiragasy etsy ambadiky ny Tranom-bokim-pirenena Ampefiloha. Natao izao ho fahatsiarovana ity andrarezin’ny Hiragasy izay vao namoy ny ainy ny Alatsinainy 27 aogositra lasa teo ity. Ny 30 jolay lasa teo tokoa no natolotra azy ny fanalahidin’ity kianja ny hiragasy ity, nandritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy izany toerana izany.

Fahatsiarovana an’i Rapetit

Nandritra ny lanonana fahatsiarovana an’i Rasamimanana Rochel androany no nilazan’ny ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fomba ofisialy io fiovana anarana io. Notolorana ny mari-boninahitra « Commandeur de l’Odre National » ihany ko izy nandritra izany lanona fahatsiarovana androany izany.
Raha hitodiana kely dia efa filohan’ny Fikambanan’ny Mpihiragasy eto Madagasikara na ny FMGM nandritra ny 20 taona i Rapetit. Nitondra ny tarika Sahondrafinina ihany koa ny tenany. Efa nilona an-taonany maro tao anatin’ny hiragasy sy ny dihy gasy izy araka izany, ary nitondra avo sy nampiroborobo ity sehatra ity fon’ny fahavelony.
Araka ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasion’ny Hiragasy dia nodimandry nandritra ny seho izay nataony tany Amoron’i Mania ny andrarezina noho ny fiakaran’ny tosi-drà tampoka.
Efa nametraka tantara tsy hay hadinoina teo amin’ny sehatry ny hiragasy i Rapetit. Misaona noho izany ny zava-kanto malagasy sy ny kolontsaina malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires