• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © No_Comment
Image
Culture

Lalaon’ny Frankofonia – Kolotsaina : Hiatrika ny « battle » ny Moustik Crew anio

02/08/2023 13:09 © Moov.Mg

Tafakatra amin’ny dingana « battle » ny mpifaninana malagasy amin’ny taranja kolotsaina, mitondra ny anarana Moustik Crew.

Seho miavaka

Omaly no niakatra an-tsehatra voalohany ireto mpiaro ny voninahim-pirenenana ireto, amin’ny taranja kolotsaina. Mpikatroka dihy Hip Hop izy ireto raha ny marimarina kokoa. Nanome seho miavaka ireo mpijery izy ireo, ary nampihoraka ny rehetra, eny fa ireo tompon-tany aza.
Seho miavaka ary avo lenta no nasehon’izy ireo ny mpijery ka nahafahany hiatrika ny dingana manaraka indray. Araka ny voalaza tetsy ambony moa dia anio no hiroso amin’ny dingana « battle » ny Moustik Crew.

Fihadiana ny medaly

Raha ny fahaiza-manaon’ireto ekipa malagasy, izay tarihin’i Angeluc Rehava ireto no jerena dia antenaina fatratra ny hitondrana medaly mody. Ity battle izay ho atao androany ity dia sady dingana faramaranana ihany koa ho an’ny taranja Hip Hop. Ho fantatra androany ihany araka izany ny vokatry ny lalao.
Raha ny taranja kolotsaina hatrany no resahana dia marihina fa resin’ny Cameroun teo amin’ny dingana « battele » ny Pi Freestyle. Tsy tao anatin’ireo nahazo medaly ihany koa i Narda Natioranomena, izay solon-tena Malagasy amin’ny sokajy Literariora. Raha ny sokajy Hira, sary sy sikotra, hosodoko indray dia rahampitso 03 Aogositra vao fantatra ny valin’ny lalao.
Mirary soa ny Moustik Crew, sy ireo izay mbola anatin’ny lalao, noho izany, mba hahazo vokatra tsara izy ireo ka hitondra avo ny voninahim-pirenena amin’izao Lalaon’ny Frankofonia andiany faha-9 izao.

Lire la suite

Articles Similaires