• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Culture

Kolontsaina : Misokatra ny kianjan’ny hiragasy etsy Anosy

30/07/2023 19:53 © Moov.Mg

Notokanan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy, ny kianjan’ny hiragasy etsy Anosy. Anisan’ireo fotodrafitrasa ara-kolotoraly natsangan’ny ministeran’ny Serasea sy ny Kolontsaina moa izy ity.

Fampiroboroboana ny hiragasy

Anisan’ny kolontsaina malagasy zary lasa ankilabao ny hiragasy tato ato noho ny tsy fisian’ny sehatra manokana natokana ho amin’izany. Saika eny an-dàlambe rehetra eny sisa no ahitana izany, ary matetika dia andalovan’ny mpandeha fotsiny. Anton’iray nananaganana ity kianja ity noho izany ny fanomezan-danja ny hiragasy izay tafiditra ao anatin’ny vakoka ara-kolontsaina. Hita ao anati’ny hiragasy ohatra ny hain-teny maro, ny dihy, ny kabary izay mifono fahalalana sy fitaizana samihafa. Fomba iray hialana voly ihany koa izy io, na ho an’ny mpanao azy izany na ho an’ny mpijery.
Mazava ho azy fa natokana ho amin’ny fampahafanatarana sy ny fanandratana ny hiragasy ity kianja iray izay najoro etsy Anosy ity. Hahazo sehatra malalaka amin’izay manomboka izao ireo mpisehatra ao anatin’ity kolontsaina mampiavaka ny malagasy ity. Ao anatin’izany dia hisy ny fiaraka an-tsehatra izay ho tanterahana eo amin’io kianja io, isan-kerinandro.

Harem-bakoka iraisan’ny zanak’olombelona

Amin’ny faran’ny taona no vinavinaina hahazo fankatoavana ho lasa harem-bakoka iraisan’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Raha tsiahivina dia ny volana aprily 2022 no efa napetraky ny ministra ny fangatahana hirosoana amin’izany tany Paris, ao Frantsa. Ankoatra ny maha harem-bakoka azy dia « Mananalanja lehibe ny hiragasy satria mampamiratra an’i Madagasikara, tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany » hoy ny ministra Lalatiana Rakotondrazafy.
Miverina indray ankehitriny ny fanomezana sehatra ny hiragasy. Raha tsiahivina tokoa dia tamin’ny andron’Andrianampoinimerina no nisy mpilalao sy mpiangaly Hiragasy voalohany teny Ankadifotsy teny. « Mpamelon-tsena » no fiantso ireo mpanao hiragasy fahiny, ary ny eto afovoan-tany no tena havanana tamin’izany. Tamin’ny repoblika voalohany dia ny hiragasy no fitaovan-tserasera nampiasain’ireo tompon’andraikitra ambony, ary mpihira gasy no niantsoana ireo mpanao hiragasy.
Antenaina hitondra rivo-baovao ho an’ny sehatry ny hiragasy, araka izany, ny fanokafana ity kianja vaovao etsy Anosy ity.

Lire la suite

Articles Similaires