• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Culture

Sainte Marie : Vita soa aman-tsara ny asa fanavaozana ny circuit "Pirate Island"

16/07/2023 07:59 © Moov.Mg

Anisan'ireo toerana mahasarika mpiazahatany maro ao Sainte Marie ny circuit "Pirate Island". Izany indrindra no nanatanterahana asa fanavaozana sy fikarakarana izany lalam-pitsidihana izany. Omaly, 15 jolay, no notokanana tamin'ny fomba osifialy ny toerana nohavaozina.

Circuit "Pirate Island", harem-bako-pirenena miavaka

Tafiditra ao anatin'ny lalam-pitsidihana na « circuit touristique » antsoina hoe « pirate Island » ireto toerana ireto : ny « cimetière des pirates », ny « Ile aux forbans », ny « Ilot Madame » ary ny Fiangonana katolika Ambodifotatra. Izany indrindra no mahaliana ireo mpizahatany tonga ao Sainte Marie. Tsy adino ireo mpianakavy avy any amin'ireo faritra maro manerana ny Nosy izay miala sasatra any an-toerana.

Tsiahivina fa mizara roa ny lalam-pitsidihana ara-pizahantany ao Sainte Marie izay mandalo amin'ny Circuit "Pirate Island" :

  • Ny “Circuit Terra” izay miainga eo amin’ny Office du Tourisme Sainte- Marie (OTSM), mandalo ny « Pavé du Vieux Port », « Ilot Madame », « Terrain Ikoa », « Digue Mangrove », « Cimetière des Pirates », « Ile aux Forbans » ary mifarana eo amin’ny Fiangonana katolika Ambodifotatra.
  • Ny “Circuit Aqua” kosa miainga eo amin’ny Office du Tourisme Sainte Marie (OTSM), mandalo Fiangonana katolika Ambodifotatra, Ile aux Forbans, Cimetière des Pirates, ary mifarana eny amin’ny Ilot Madame.

Copyright Image : © MSK

Asa fampanarahana fenitra

Ny taona 2019 moa no nanombohan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny asa fanamboarana. Nampanarahana fenitra ity "circuit" ity mba hanatsarana ireo tolotra omena ireo mpizahatany sy mpiala sasatra. Isan’ny asa natao ohatra ny ny fametrahana toerana ahafahana mijery ambony (vue à 360 degrés) mahatazana an’i Sainte-Marie iray manontolo, eny amin’ny Ile aux Forbans, ny fanajariana ireo lalana sy fametrahana seza fipetrapetrahana ho an’ireo mpitsidika, fametrahana takelaka miisa 28 manazava ireo toerana manan-tantara rehetra ary ny ny fanamboarana toeram-piondranana (embarcadères) miisa efatra.

Ny « Association Le Circuit des Forbans » (LCDF) izay tarihin’ny solontenan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina no hitantana ity « circuit pirate island » ity.


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires