• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Culture

Judo : Tsy voatery manenjika bus intsony aho, hoy Laura Rasoanaivo

20/04/2023 20:16 © Moov.Mg

Notoloran'ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina kodiaran-droa i Laura Rasoanaivo, tompondaka manerantany amin'ny Judo sokajy Junior, latsaky ny 70 kg.

Fanazaran-tena mavesatra

In-telo isan'andro i Laura Rasoanaivo no miatrika fanazaran-tena. Izany no tsiambaratelony, nahazoany medaly volamena maro sy laharam-boninahitra miavaka maneran-tany. Teo aloha dia voatery mandeha fitaterana iombonana foana i Laura. Maivana nefa ny fahasahiranany ankehitriny satria nahazo moto ny tenany. Hiatrika ny fifaninana ny tompondaka eran-tany izay atao any Qatar moa tenany amin'ny volana may ho avy izao. Hihamafy indray araka izany ny fanazaran-tena miandry azy.
Natolotra azy ihany koa ny aron'akanjo manokana iarovana ny tenany rehefa mitaingina izany kodiaran-droa izany. Nomarihan'ny filoham-pirenena fa i Laura mihitsy no nisafidy ny moto nety tamin'ny teny amin'ny mpamarotra izany.

Malagasy fitaratra

Tovovavy be herim-po i Laura Rasoanaivo. Tsy mihemotra mihitsy izy manoloana ireo mpifanandrina aminy na teratany malagasy na vahiny. Mamiratra tokoa izy na eto Madagasikara, na eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Nidera manokana tanjan-tsaina ananan'i Laura Rasoanaivo moa ny Filoha Andry Rajoelina. Antenaina fa mbola hitohy hatrany ny fanandratan'i Laura avo ny firenena Malagasy amin'ny alalan'ny fanatanjahan-tena izay ataony.
Nanotrona ny fotoana fanolorana ny kodiaran-droa moa ny minisitry ny fanatanjahan-tena sy ny filohan'ny federasiona taranja judo.

Lire la suite

Articles Similaires