• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Culture

29 martsa 2023 : Mankalaza ny faha-90 taonany i Henri RATSIMBAZAFY

29/03/2023 17:41 © Moov.Mg

Lamba blanc, Au zoma, Azafady mademoiselle, Ao an-trano falafa, Anao no nindramiko, Taiza indray ianao, ... Maro tokoa ireo hira tsy lefy laza ahafantarana ny mpanakanto Henri Ratsimbazafy. Feno 90 taona ny lehilahy androany 29 martsa 2023.

Nanakoako ny hiran'i Henri Ratsimbazafy tao amin'ny FJKM Ankadifotsy androany. Nankalazaina tamin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana mantsy ny tsingerin-taonany anio. 90 taona ny mpanakanto ankehitriny. Nanotrona sy nitondra am-bavaka azy ny vadiny, ny fianakaviany, ny mpanakanto namany ary ireo olo-manan-kaja maro eto amin'ny firenena.
Mbola hiara-hanamarika izany faha-90 taonany izany amin'ireo mpankafy azy ihany koa i Henri Ratsimbazafy. Ho tanterahina ny 2 aprily ho avy izao ao amin'ny CC Esca Antanimena ny seho miavaka amin'ity taona 2023 ity.
Tsy ireo efa zokinjokiny ihany no mankafy azy. Maro ireo tanora no mankasitraka ny kantony. Mirary soa sy fahasalamana ho an'i Henri Ratsimbazafy !

Lire la suite

Articles Similaires