Arahaba nahatratra ny Taombaovao Malagasy 2023 : Alahamadibe eny amin'ny lapan'Ambohidrabiby
Miha-miverina ny hasin'ny Taombaovao Malagasy 2023. Tsarovana anio alarobia 22 martsa izany fotoan-dehibe manan-tantara izany. Eny amin'ny Rovan'Ambohitrabiby ny lanonana tsy manam-paharoa.
Fanateran-kasina
Mifantoka amin'ny fitsofan-drano ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Koa satria efa vita ny fidiovana sy ny fandroana ho an'ny tsirairay omaly dia miroso amin'ny fidiovam-pirenena ho amin'ny androany. Hisy ny famonoana omby eo amin'ny kianjan'ny lapan'Ambohidrabiby.
Hampiavaka ny andro anio ny tatao vary amin-dronono tondrahin-tantely izay mariky ny fifaliana sy ny fihavanana. Arahin'ny dihy nentim-paharazana izany. Any amin'ny famaranana ny fankalazana no anatanterahana ny Zarahasina sy ny fanateran-kasina.
Firaisan-kina
Na dia andro fiasana aza anio 22 martsa 2023, tsara raha miray fo mankalaza ny Taombaovao Malagasy 2023 ny zanatany avy amin'ny lafivalon'ny Nosy. Tsy vitsy ireo maniry ny mba ijeren'ny mpitondra fanjakana manokana momba ny fankalazana manan-kasina toy izao. Maro mantsy ny fetin'ny vahiny no voatokana ho andro tsy fiasana eto Madagasikara.
Mirary antsika Malagasy rehetra handroso hasina amin'ity taombaovao 2023 ity !