Fanamarihana ny 8 marsa 2023 : Hetsika Artis-Tsika, fampirantiana hosodoko, sary, "graffiti" sy fitafy
Vehivavy manan-talenta miisa 19 no nampiranty ny sangan'asany nandritra ity hetsika ara-kolontsaina izay nahitana ny asa famoronana hosodoko, ny sary, ny "graffiti" sy ny famoronana akanjo fitafy.
Nomena sehatra manokana ihany koa ireo vehivavy malagasy manan-talenta amin'ny famoronana sy ny kanto nandritra ny hetsika "Artis-tsika" notanterahina tao amin'ny zaridainan'Ambohijatovo. Araka ny efa voalaza tetsy ambony, samy manana ny talentany avy izy ireo. Araho an-tsary ary ireo sangan'asa mahaliana.
Asa famoronana akanjo na "stylisme"
Samy miavaka avokoa eto na ny akanjo, na ny firavaka, na ny taovolo sy tarehy. Manan-talenta tokoa ny vehivavy malagasy amin'ny tontolon'ny lamaody
Mbola famoronana akanjo na stylisme ihany
Eto izao dia tena nasongadina tamin'ny alalan'ny taovolo maroloko ilay akanjo hafakely
Sary hosodoko
Tsy adino ny sary hosodoko izay mampiavaka ny Malagasy. Misy tokoa ny vehivavy misehatra amin'ny fanaovana sary.