• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Star
Image
Vaovao

Ririnina : Manolotra bodofotsy ho an’ny mponina marefo ny Consulat an’i Monaco sy ny orinasa Star

18/07/2024 09:33 © Moov.Mg

Zaza latsaky ny 5 taona sy zokiolona 1 000 isa no misitraka fanomezana lamba firakotra mafana, avy amin’ny Consulat an’i Monaco sy ny orinasa Star, amin’ity ririnina 2024 ity. Hetsika fanaon’izy ireo isan-taona izao, nanomboka ny taona 2019.

Mponina marefo

Hatramin’ny nanatanterahan’ny Masoivohon’i Monaco sy ny orinasa Star ity hetsika fizarana bodofotsy ity, nanomboka ny taona 2019, dia tokantrano maherin’ny 10.000 manana zaza latsaky ny 5 taona no efa nisitraka izany, izay nanohanana azy ireo hiatrika ny vanim-potoanan’ny ririnina. Amin’ity taona ity kosa, ny Masoivohon’i Monaco sy ny Star dia nijery ihany koa ny zokiolona, izay voasokajy ho marefo amin'izao ririnina izao. Fokontany 10 no anatanterahana ny fizarana, ka nosafidiana manokana, tamin’ity indray mitoraka ity, ireo fokontany mbola tsy nisitraka izany, araka ny fanazavan-dRamamonjisoa Adèle, talen’ny fandaharanasa eo anivon’ny Masoivohon’i Monaco. Ezahina foana ny hanavaozana ireo mpisitraka ny fanomezana, hoy izy. Tanjona ny hanampiana ireo fianakaviana marefo rehetra, indrindra eto Antananarivo.

Fitsinjovana ny maha-olona

Tafiditra ao anatin’ny hetsika sôsialy ataon’ny Star ihany koa izao, ho fitsinjovana ny maha-olona, araka ny nambaran-dRandriambolamanana Seheno, talen’ny serasera eo anivon’ny orinasa Star. Bodofotsy ampiana zava-pisotro mamy, izay vokarin’ny orinasa, no atao fanomezana, izay nomarihiny fa bodofotsy vita malagasy ho an’ny mponina malagasy. Nanomboka omaly alarobia 18 jolay 2024 ny hetsika ary hitohy hatramin’ny alarobia 24 jolay 2024. Ny Fokontany Ifarihy Tanjombato, Ambohibahiny Tanjombato, Iavoloha, Lohanosy, Analamahitsy, Alarobia Amboniloha, Vakinampasika ary Manankasina Ambohimanga no hisitraka ny fanomezana. Ny eny anivon’ny Fokontany no mifantina ireo olona tena sahirana hisitraka ny fanampiana, ka bodofotsy miisa 100 isaky ny Fokontany no atolotra. Ny 75 amin’izany dia ho an’ny ankizy latsaky ny 5 taona ary ny 25 dia ho an’ireo zokiolona. Ny masoivohon’i Monaco no mamatsy vola hividianana ireo bodofotsy.

Lire la suite

Articles Similaires