• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Oit
Image
Vaovao

Lalàna vaovao mifehy ny asa : Teknisianina ambony miisa 20 no misitraka fiofanana

16/07/2024 16:19 © Moov.Mg

Nahazo fiofanana mifandraika amin’ny lalàna vaovao mifehy ny asa ireo Mpitsirik'asa sy Mpanara-maso ny asa, izay hanofana momba izany indray ao aoriana ao. Tany Mahajanga no nanatanterahana izany, nanomboka omaly, mandrapiandry ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC).

Fanapahan-kevitry ny HCC

Raha tsiahivina dia lany tsy nasiam-panintsiana teny anivon’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna mifehy ny Asa. Ankehitriny dia efa miroso amin'ny fandrafetana ny didim-panjakana fampiharana azy, ireo tompon'antoka tamin'ny fanavaozana izany Lalàna izany. Eo am-piandrasana ny HCC dia nirosoana nanomboka omaly ny atrikasa savaranonando mifandraika amin’ity lalàna ity, izay nentina nampiofanana teknisianina ambony manodidina ny roapolo, avy amin’ny faritra enina eto Madagasikara. Izy ireo no isan’ny hampihatra ny lalàna, amin’ny alalan’ny fanatanterahany ny asany, ka rariny raha misitraka voalohany ny fanofanana. Any Mahajanga, Faritra Boeny, no anatanterahana ny atrikasa, eo ambany fitarihan’ny Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asampanjakana, miaraka amin’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT).

Fanatsarana ny tontolon’ny asa

Nanokatra ity fotoam-panofanana ity tamin’ny fomba ôfisialy ny minisitry ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nandritra izany no nilazan-drtoa Minisitra fa ny fikatsahana ny tombontsoa iraisana, amin'ny fampiroboroboana ny tontolo ankapoben'ny asa, no tanjon'ny fanaovazana ny Lalàna mifehy ny Asa. Ary satria savaranonando ihany ity fanofanana ity, dia mbola ho avy miandalana ireo atrik'asa fanatevenana izay hatao any amin'ireo Faritra hafa. Aorian’izao atrikasa izao dia hidina ifotony eny anivon'ny Faritra samihafa ireo teknisianina nahazo fiofanana, mba hanentana sy hisarika ny sain'ny besinimaro, mba hanana toe-tsaina sy fomba fijery miabo, ho fanatsarana sy ho fanabeazam-boho ny tontolon'ny asa eto Madagasikara. Nilaza kosa ny avy eo anivon’ny OIT fa nivoatra ny tontolon’ny asa, indrindra taorian’ny valanaretina covid-19, ka ilaina ny fametrahana fenitra manokana, toy ny mahakasika fiarovana sy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-piasana. Efa nankatoa fifanarahana iraisam-pirenena maro mifandraika amin’izany i Madagasikara, izay manaporofo ny firotsahany an-sehatra ho fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny rariny ara-tsôsialy.

Lire la suite

Articles Similaires